- Zoma 18 Novambra 2011
Edito.Handray andraikitra ?
Hisy amin’ity anio ity ny fihaonan’ny fikambanan’ireo manamboninahitra misotro ronono.
Hamaky ny tohinyHisy amin’ity anio ity ny fihaonan’ny fikambanan’ireo manamboninahitra misotro ronono.
Hamaky ny tohinyNa vaovao tokony hanaitra aza dia efa tsy nampiraika ny maro intsony ny nahafantarana tamina fahitalavitra tsy miankina iray ny zoma alina teo, fa hoe misy minisitra sy olona ambony maromaro tao anatin'ny governemanta Vital mikasa ny hamoaka an-tsokosoko boaderozy 12 kaontenera ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina.
Hamaky ny tohinyMizotra tsimoramora any amin'ny fametrahana ny fitoniana ny fitondrana tetezamita indrindra moa fa taorian'ny nanateran'ny ankolafy Ravalomanana sy Zafy Albert ary ny Monima ny lisitr'ireo olona ho kandida minisitra natolotr'izy ireo.
Hamaky ny tohinyEfa lasa fomba mahazatra eto amintsika mihitsy ilay hoe ny filoha na ny fiadidiana ny filohan’ny FAT no manampy ara-bola sy ara-pitaovana ireo atleta sy mpanao fanatanjahantena isaky ny misy zavatra goavana atao, fa milaza tsy manam-bola foana ny ministera.
Hamaky ny tohinyNa efa maro aza tato anatin’ny telo taona, ny tranga nahasolafaka ka tokony ho nahazoana lesona dia hita fa mbola tery saina sy tia tena ihany ny ankamaroan’ireo mpanao politika Malagasy, indrindra fa ireo mba nahazo seza kely na nahazo avara-patana tamin’ny filohan’ny FAT.
Hamaky ny tohinyMety hitsangana amin’ity herinandro ity ny governemantan’ny fampiraisam-pirenena, araka ny vaovao mivoaka avy any an-dapa any.
Hamaky ny tohiny