Edito

Mila valin-teny, mila vahaolana


  • Alatsinainy 09 Janoary 2012

Hanamarika ity herinandro vaovao ity ny lanonana fifampiarahabana eny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha.

 Efa fanao isan-taona nanomboka tany amin'ny Repoblika faharoa moa ity fiarahabana ny filoham-pirenena mivady ity isaky ny volana janoary ary dia tonga eny avokoa ny manampahefana sivily sy miaramila, ireo masoivoho vahiny, ny mpitondra fivavahana ary fianakaviamben'ny mpanao politika sy ireo herivelona rehetra eto amin'ny firenena. Hiavaka ny amin'ity 2012 ity satria mandritra ny efatra andro ny fety aman-danonana. Fa ny tena andrasan'ny maro dia ny kabarin'ny filohan'ny tetezamita Andry Nirina Rajoelina. Mbola ao anaty krizy tanteraka mantsy ny firenena ary tsy tena mbola namaha ny olana ny fanasoniavana ny tondrozotra sy ny fampidirana ny mpanohitra anatin'ny rafitra tetezamita.

Maro ireo fanontaniana mila valiny matotra toy ny hoe inona no mety ho fanapahan-keviny momba ny raharaha mampifanolanana ny mpitsara amin'ny polisy ? Ahoana marina ny momba ireo boaderozy nangonin'ny fanjakana ? Afaka mody eto ve sa tsia ingahy Ravalomanana ? Rahoviana marina ny datin'ny fifidianana ary fifidianana inona no hatao mialoha ? Taonan'ny dinika, fifampiresahana, fifandresen-dahatra ary fifanatonana ny 2011 ary hita fa tena niditra an-tsehatra mivantana tamin'ny fanelanelanana ny SADC tamin'ny alalan'ny Troika, nihazakazaka ny zava-drehetra ary maro no nanantena fa rehefa nanaiky nanasonia ilay tondrozotra ny mpanohitra dia hilamina ny resaka.

Tsy dia izay loatra anefa ny zava-misy. Ny lohahevitra tena nafonja no hadinodino na fanahy niniana nampanginina. Ao ohatra ny famoahana ireo gadra politika sy ny fodiana an-tanindrazan'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Mikipy maso amin'ity resaka ity ny ankolafy Rajoelina na dia mahita sy mahatsapa tsara aza fa mikatso ny famahana ny krizy raha toa ka mbola misy ny fanilikilihana. Mandeha ny resaka fa manana paikady hampihaonana an'i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ny Afrikanina tatsimo, ka izany indrindra no antony nanasana azy tamin'ny fomba ofisialy ny filohan'ny tetezamita hanatrika ny fankalazana ny faha 100 taonan'ny ANC. Voaasa hanatrika izany koa mantsy Atoa Ravalomanana. Efa tena maro be ireo dinika sy fivoriana natao tato anatin'ny telo taona. Karazan-kevitra maro be tsy tambo isaina no nivoaka tamin'izany, saingy tsy mety voavaha ny krizy, tsy hita ny vahaolana satria tsy mbola niresaka sy nifanazava tsara ireo fototry ny olana... Ho hita eo indray ny ho vokany. Tsy misy moa ny fanambarana ofisialy momba ity fampihaonana azy mianaka ity fa dia vinavina sy tombantomban'ireo mpandinika ny raharaha politika daholo izany rehetra izany. Tsy azo adinoina ihany koa fa mbola hivory amin'ny faran'ity volana janoary ity ny Vondrona Afrikanina ary tsy maintsy hamoaka fehin-kevitra momba ny krizy eto Madagasikara. Efa mba hisy valin-teny mahafa-po amin'ny famahana ny krizy amin'izay ve amin'ity volana janoary ity, sa mbola fanontaniana ihany no ho betsaka ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT