Tahaka ny mifampiandriandry izany ny andaniny sy ny ankilany ao anatin’ny sehatra politika eto amintsika amin’izao fotoana.
Nikorapaka ny teo anivon’ny mpitandro ny filaminana vantany vao nandre ilay kabarin’i Mamy Rakotoarivelo teny Iavoloha ny 11 janoary 2012, ary nanambara fa hody tsy ho ela ingahy Ravalomanana. Nisy tampoka ny fanazarantena amin’ny fiarovana ny seranam-piaramanidina teny Ivato omaly, satria mieritreritra ireo lohandohan’ny mpisorona amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny foloalindahy fa tsy maintsy hisy korontana raha tonga eto, ity filoha teo aloha ity. Mitohy indray ny fivoriana etsy sy eroa ataon’ny mpanohana an’i Andry Rajoelina handinihana ny paikady tsy maintsy atao manoloana ity fiverenan’ilay iraika lahy teo aloha ity. Hentitra ny baiko ka sarotsarotra ihany ny hino hatreto fa avela hiditra an-kalalahana eto Atoa Ravalomanana. Tongotra mby an-dakana koa anefa ny azy ka tsy hiverina intsony.
Ampy izay ny andranandrana sy ny fitsapana ny halalin’ny rano tao anatin’ny telo taona fa dia hiverina hiditra an-kianja amin’izay Ramose, ary vonona ny handray ny «risika» rehetra, araka ny fomba filazany azy. Izay izao aloha no mibahana amin’ny vaovao eto an-drenivohitra sy ny manodidina, ary dia samy manana ny vinavinany ny tsirairay avy. Misy ireo mahita fa vono vorona fotsiny ity resaka ity, ao koa anefa ireo tena resy lahatra fa ho avy i Dada, ary izay vao hanomboka ho feno ny fepetra amin’ny fananganana ilay tetezamita iombonana sy iahara-mitantana ka mba hiroso amin’izay ny asa fanarenana ny firenena fa tsy ho variana amin’ny adilahy politika intsony isika. Eo amin’ilay resaka daty, sisa no mbola manjavozavo amin’ny maro.
Mialoha ve sa aorian’ny fivorian’ny Vondrona Afrikanina ny 20 ka hatramin’ny 23 janoary izao, no ho tonga eto Madagasikara Atoa Ravalomanana ? Raha efa nahalala ny daty hahatongavany hatramin’ny 7 janoary, Atoa Marius Fransman sy ny SADC, dia nahoana no tsy nisy fepetra efa noraisina na fandaminana efa nambara tamin’ny fomba ofisialy, satria tsy tena mbola vita ny asan’ny mpanelanelana, raha mbola misy ny fifandirana sy fifanoheran-kevitra eto ? Mipetraka ihany koa ny fanontaninana eto hoe : misy vondron’olona na fikambanana iraisam-pirenena na firenen-kafa, ankoatr’ireo efa tsy mankasitraka azy eto an-toerana, ve manao ny fomba rehetra tsy hahatongavan’i Marc Ravalomanana eto ? Raha hiverenana tokoa mantsy ny tena anton’ny tranga tamin’ny 2009 dia tsy hoe ny fandrodanana ny fitondrana fotsiny, fa tena famotehana tanteraka ny momba an-dRavalomanana sy ny fananany ary ny fianakaviany. Telo taona aty aoriana anefa hiverina eto indray izy, ka ahoana indray no mety ho fihetsik’ireo nandrodana azy ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.