Edito

Fitarazohana mitarika fihemorana


  • Alarobia 11 Janoary 2012

Ao anatin’ny fitokonana faobe tanteraka ny mpiasan’ny Kaominina ambonivohitr’i Toamasina.

 Misavovona manerana ny tanàna ny fako, ary hita fa tena miha ratsy ny endrika ity renivohitra ara-toekaren’i Madagasikara ity, fa tsy tahaka ny nahitana azy, telo taona lasa izay. Nesorina tamin’ny toerany ny PDS, tsy mbola hita ny solony, ireo mpiasa koa anefa dia manana ny fitakian’izy ireo. Mifanjevo be ihany ny zava-misy any an-toerana, ka tsy hita intsony ny tena marina. Mitarazoka be ny famahana ny olana avy amin’ny ministeran’ny fanapariaham-pahefana. Hanara-dia ireo mpampianatra mpikaroka namany mivondrona ao amin’ny SECES ny mpampianatra eny amin’ny Polytechnique Vontovorona, ary dia nanapa-kevitra ny hampiato ny fampianarana.

Miverina indray izany ny fikatsoana eny amin’ny oniversite. Hita ho mbola mikaviavia mikaroka vahaolana amin’ity raharaha ity, ny minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony. Niverina ny olana nitranga tamin’ny herintaona satria nitarazoka sy tsy ara-potoana ny famahana azy. Polisy roa tompon’antoka tamin’ny famonoana ny mpitsara Rehavana Michel tany Toliara no nambaran’ny minisitry ny filaminana anatiny, ny alatsinainy 9 janoary lasa teo fa nitsoaka ary mbola karohina. Tsy mahagaga ny tranga tahaka izany satria nanana fotoana lava tsara nahafahana nangoron’entana sy nitsoaka ireo nahatsiaro tena fa tena tompon’antoka tamin’iny tranga nampalahelo tany Toliara iny.

Nitarazoka loatra a ny fikarohana sy fisamborana ireo polisy rehetra voarohirohy mivantana na an-kolaka tamin’ilay raharaha. Ny filohan’ny tetezamita moa dia efa nilaza fa hisy fanapahan-kevitra hentitra horaisina ao anatin’ny fotoana fohy, handaminana ity raharahan’ny polisy sy ny mpitsara ity, saingy… tsy hita hatramin’izao izay tena marina, dia izao mitarazoka izao ny krizy. Mirongatra izay tsy izy ny asan-jiolahy mitam-piadiana eto Antananarivo sy ny manodidina, ny andrimasom-pokonolona no atao sorona hiambin-tanàna isak’alina ary dia efa maro no nitondra faisana raha nifanehitra tamin’ny jiolahy. Voafetra ny isan’ny mpitandro ny filaminana manao fisafoana amin’ny alina, na mandeha eny anivon’ny Fokontany isan-karazany eny, satria toa hoe tsy ampy hono ny tetibola eo am-pelatanana ! Mifandimby ato anatin’ny tetezamita ny fandraisan’andraikitra diso aoriana loatra sy ny fitarazohan’ny fanapahan-kevitra, hany ka tsy tokony hahagaga raha mihemotra isika fa tsy mandroso.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT