Tsy maintsy tamin’ny alalan’ny grevy sy ny hetsi-bahoaka foana no nisian’ny fifandimbiasam-pahefana teto Madagasikara.
Ny endrika nisehoany fotsiny no miova fa ny vokany dia mitovy ihany. Misy hatrany ny fifandrafiana sy fifamaliana faty eo amin’ireo mpitondra nifandimby, ka izay no antony tena nampihemotra ity firenena ity. Nitovy tantana tsara tamin’ny nosy Maorisy isika tamin’ny fiandohan’ny taona 90, ankehitriny anefa dia resin’ity nosikely ity isika amin’ny lafiny rehetra na politika na toekarena na sosialy na fanabeazana na fiahiana ara-pahasalamana. Mangoron-karena eto amintsika ny mpandraharaha Maorisianina, manana banky eto izy ireo. Mba rahoviana kosa no hisy banky Malagasy any Maorisy ? Ny Afrikanina nambara fa mpiady an-trano moa dia ireny efa manome lesona sy mampihavana antsika ireny…
Fa nahoana ary no latsaka ambany dia ambany tahaka izany ity firenena ity e ? Tsy misy afa-miala fa samy tompon’andraikitra isika mianakavy. Ny mpitondra tsy nahalala afa-tsy ny hahametimety ny sezany sy ny hijanonany maharitra eo, ny mpanao politika tsy manan-draharaha afa-tsy ny haka fitondrana, tsy mahandry fifidianana. Ny vahoaka, mieritreritra izay tonga eo amin’ny fitondrana ho mesia, ka hahavita fahagagana ao anatin’ny indray mipi-maso. Tsy manana vina lavitr’ezaka ramalagasy fa dia ny anio sy ny rahampitso ihany, hany ka mora fitahana sy tambazana amin’ny vary sy menaka mora, ampiana akanjo kely sy satroka. Diso fanantenana avy eo, vao hoe tsy mety io fa andao harodana indray dia hitady olom-baovao.
Ny mpandraharaha ao anatin’izany rehetra izany dia mailo sy malina ka mitahiry ny volany any ampita, tsy tena azo antoka tsinona ny tontolon’ny fandraharahana eto, ary matetika no misy rotaka. Maro be koa ireo mitazam-potsiny, izay mangina volamena, ary tsy hampitombo ny vary anaty lovia ny fanarahana izay politika sy raharaham-pirenena. Miendrika fialangalanana ihany anefa izany indraindray. Fitiavan-tena, fitiavan-tseza sy voninahitra, fizahozahoana, fahakamoana sy fahalainana, fanaovana “havako raha misy patsa”. Izany no malaza eto amin’ny “Pays du Moramora” ka tsy mahagaga raha mihemotra isika fa tsy mandroso. Rahoviana vao hifoha amin’ny torimasony sy tena hijoro ary handray an-tanana ny ho aviny ny Malagasy fa tsy sodokan’ny mora sy babon’ny mahay mandaha-teny fotsiny ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.