Dia tsy ilaozan-dromoromo sy korontana mihitsy ve izany ity fitondrana tetezamita ity ?
Hidina an-dalambe ny ankolafy Zafy Albert ka hamory olona eny amin’ny kianjan’Ambohijatovo amin’ny heriny anio, izany hoe ny talata 17 janoary. Dia efa namaly bontana avy hatrany ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra fa tsy azo anaovana fihaonana na fivoriana politika io kianja io. Ny mpitandro ny filaminana ao amin’ny Emmo-Reg ihany koa dia fantatra fa efa vonona. Midika izany fa raha vao misy olona mitangorongorona fotsiny eny Ambohijatovo na Andohananalakely dia hirefotra indray ny lakrimozenina. Ny zanak’i Dada efa velom-bolo fa toa hoe tsy ho ela intsony dia ho avy eto Atoa Ravalomanana. Ny AV7 dia efa nanambara fa tsy mankasitraka ny fiverenan’ity filoha teo aloha ity eto, ka hanakana izany amin’ny heriny rehetra ary tsy hanaiky mihitsy na dia misy ra latsaka aza eto. Ny ao amin’ny foloalindahy dia toa milamina tsy milamina izany, tsy fantatra intsony izay tena marina. Ao anaty governemanta kosa dia misy ihany koa ny tsy fifankahazoana sy karazana ady mangatsika eo amin’ny samy minisitra, raha tsy hiteny afa-tsy ny minisitry ny polisy sy ny fitsarana fotsiny isika.
Miha mahazo vahana ny fitakiana isan-tsokajiny ka samy mba miady ny tombontsoany ireo sehatr’asa tsirairay avy, ny sendika natoritory, nifoha tampoka, ireo tsy nanana avy hatrany dia nanangana sendika, dia roso ny famoahana fanambarana sy fitakiana ary fampitandremana na “ultimatum”. Fomba fiteny efa lasa mahazatra eto amintsika moa ilay hoe : tsy misy fepetra ka dia samy mampiasa azy amin’ny mahamety azy ny tsirairay. Izao vao tena hita fa anaty krizy tanteraka i Madagasikara ary manomboka misavorovoro ny fitondram-panjakana sy ny fiarahamonina. Ka aiza ihany ary ilay vahaolana e ? Mahita ny fomba firesak’Atoa isany Andry Rajoelina sy Omer Beriziky dia toa alaim-panahy mihitsy hieritreritra fa misy filoham-pirenena roa eto. Toa samy miseho ho tompon’ny fampisehoana mantsy na ny etsy Ambohitsorohitra na ny eny Mahazoarivo. Tsy mazava tsara intsony ny fitsinjaran’asa, tsy fantatra intsony izay tompon’andraikitra ary manjavozavo tanteraka izay tena tompon’ny fanapahan-kevitra farany. Manampy izay, ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamia koa dia manana ny eritreriny sy ny fomba fijeriny, ary tsy hanaiky hatao mpitan-jiro fotsiny fa tena hampiseho ny maha izy azy. Dia misavorovoro ny rehetra, milamindamin-dratsy ny tanàna, mandry an-driran’antsy ny vahoaka kanefa milanja basy etsy sy eroa ny mpitandro ny filaminana. Fa iza no manao inona, ary iza no tena manapa-kevitra eto ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.