Edito

Voa tamin'ny kely foana !


  • Zoma 13 Janoary 2012

Mbola miteraka resabe etsy sy eroa hatramin'izao ilay kabarin'Atoa Mamy Rakotoarivelo teny Iavoloha ny alarobia 11 janoary lasa teo ka nilazany ampahibemaso fa ho avy tsy ho ela eto Madagaikara ny filoha Marc Ravalomanana.

Ny daty moa dia efa fantapantatra ihany saingy Atoa Ravalomanana izy tenany mihitsy no hanambara izany mivantana amin'ny fotoana mahamety azy, izay tsy ho ela koa. Horakoraka, siotsioka ary feon-tsotro sy lovia no nanenika ny Ceremony Building teny Iavoloha, ho setrin'io fanambaran'ny filohan'ny Kongresy io. Dia tao ireo nilaza fa afabaraka, hono, Atoa Mamy Rakotoarivelo sy ny ankolafy Ravalomanana tamin'iny fotoana iny. Misy koa anefa ny mahita fa tafalatsaka tao anaty velapandriky ny filohan'ny Kongresy ka nampiseho ny maha tsy matotra azy, ireo mpomba ny filohan'ny tetezamita.

Tonga dia nihoraka sy nisioka tahaka ny mpiady an-tsena tokoa izy ireo, ary tsy nahatsiaro tena akory fa ao anaty lapa manatrika lanonana ofisialy, ary hita mivantana amin'ny fahitalavitra sy onjam-peom-pirenena. Ireny ve ny endriky ny demokrasia sy fanajana ny hevitry ny hafa eto ? Dia izany tokoa angamba ny fanovana tian'ny sasany entina eto, ka akoraina avy hatrany ireo tsy mitovy firehana amin'ny tena. Raha ny marina dia Atoa Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy no tena afa-baraka tamin'iny fihetsika tsy mendrika iny. Hita amin'ireny ihany koa fa mbola maro be ireo olo-manankaja sy mpanao politika, fohy fisainana ka tsy mahatakatra ny paikadin'ny hafa. Maty hasina ny lapam-panjakana sy ny fitondrana, hoy ny jeneraly Désiré Ramakavelo, raha milaza ny heviny momba iny savorovoro tamin'ny alarobia iny izy.

Azo natao tsara mihitsy ny namaly na mamafa izay nambaran'i Mamy Rakotoarivelo tamin'ny alalan'ny kabary fa tsy voatery hisiotsioka sy hiorakoraka. Atao ahoana moa fa rivo-baovao tokoa no mitsoka eto izao ka na any anaty lapam-panjakana aza dia misy manao fihetsika jiolahimboto sy mpiady an-tsena. Tafita ny hafatra ho an'ny ankolafy Ravalomanana tamin'iny alarobia iny. Voan'ny olona tamin'ny kely foana, kosa ny mpomba an-dRajoelina ary mbola nanaporofo indray ny tsy fahamatoran'izy ireo sy ny tsy fahazakana sehatra avo lenta tahaka ireny.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT