Tapatapany

TAPATAPANY FARITRA BOENY


  • Alakamisy 24 Novambra 2016

3.513.800 Ariary no voaangona tamin’ny Telefood notanterahina nanoloana ny Lapan’ny tanàna Mahajanga ny 11 novambra 2016.

Vokatra avy amin’ny Distrika telo dia i Mahajanga I, Soalala ary Mitsinjo io. Mbola andrasana ny avy any Mahajanga II, Marovoay, Ambato-Boeny. Tamin’ny taon-dasa dia i Mahajanga no lohalaharana manerana an’i Madagasikara tamin’ny hetsika Telefood tamin’ny vola mitotaly, 2.777.500 Ariary.

TANJOMBATO
Hanomboka anio alakamisy 24 novambra etsy amin’ny “Forello Expo” Tanjombato ny Salon de l’Industrie de Madagascar. Andiany faha-3 izy ity, izay tsy hifarana raha tsy amin’ny alahady 27 novambra 2016.

BEKILY

Tsy mba nahazo fanampiana vary tamin’ny PAM ny tao an-tampon-tanànan’i Bekily. Mitaraina koa ny mpampianatra prescolaire any an-toerana izay vatsian’ny UNICEF vola fa efa am-bolana maro no tsy nandray karama.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Tapatapany

  • Raharaha
  • Zoma 20 Novambra 2026

Ambohimalaza

  • Tapatapany
  • Sabotsy 10 Jona 2017

TAPATAPANY

  • Tapatapany
  • Alatsinainy 08 Mey 2017

Taratasin’i Jean Farany vao manisy ventiny

  • Tapatapany
  • Alakamisy 15 Desambra 2016

Tapatapany Blueline TV

Hijery ny tohiny
FTT