Hahazo fitsaboana maimaimpoana avokoa ireo olona any amin’ny Faritra Melaky amin’ity volana jona ity. Tafiditra ao ireo mila fandidiana maika nefa tsy nanana fahafahana.
Ireo mpitsabo Koreana ao anatin’ilay tetikasa tenin’ny fiainana no hanatanteraka izany any an-toerana, raha araka ny vaovao azo.
Nahazo tobim-pitsaboana vaovao manara-penitra ny any amin’ny distrikan’i Mahanoro. Omaly no notokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa notarihin’ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka Andriamanarivo Lalatiana. Fantatra tamin’izany fa tsy handeha lavitra toy ny tany Toamasina teo aloha intsony ireo marary any amin’ity distrika iray ity. Natolotra tamin’io andro io ihany koa ireo dokotera enina mianadahy hiasa any an-toerana.
Mbola betsaka amin’ireo mponina ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Antehiroka amin’izao fotoana izao no miziriziry tsy mety hikarakara ny taratasy fahazoan-dalana hanorina na hanamboatra ny tranony. Nisy ireo efa nahavita raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Razakandrainy Bezoro saingy nisy ihany koa ireo tsy nahavita. Manome azy ireny iray volana araka izany ny kaominina.
Hatokana manontolo amin’ny famatsiana herinaratra ho fitandroana ny fandriampahalemana manerana ireo fokontany miisa 18 ho an’ny kaominina Ankadikely ny vola azon’izy ireo tamin’ny FDL. Hisy ihany koa raha araka ny fantatra ny fanapariahana ireo kartie mobile, indrindra mialohan’ny fetin’ny 26 jona ho avy izao.
Hankalaza ny fetin’ny 26 jona amin’ny fomba miavaka ny 15 sy ny 16 jona ho avy izao ny kaominina ambanivohitra Amboloterakely, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe. Hisy mandritra izany ny harendrina hampialana voly ny ankizy sy ny hetsika maro samihafa toy ny alim-pandihizana natao ho an’ny daholobe.
Manana olana goavana ny amin’ny tsy fisian’ny lakandrano manondraka ny tanimbary ny any amin’ny distrikan’i Marovoay amin’izao fotoana izao. Toraka izany koa ny lalana hitateran’ny tantsaha sy hamoahany ny vokany, raha araka ny fanazavan’ny solombavambahoaka voafidy any an-toerana.
Vonona hiady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny any amin’ny distrikan’Antsirabe II, Faritra Vakinankaratra. Nosokafana tamim-pomba ofisialy tany an-toerana nanomboka omaly ilay tetikasa famatsiana masomboly manara-penitra sy zezika ho an’ny tantsaha hahafahan’izy ireo mamokatra sakafo be otrikaina sy mahavelona. Raha tsiahivina, anisan’ny faritra iray tena betsaka ankizy lasibatry ny tsy fanjarian-tsakafo ny ao Antsirabe.
Mitaraina noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana ireo tantsaha mpamokatra lavanila any amin’ny distrikan’Ikongo. Olona maro mantsy no efa namoy ny ainy, indrindra ireo tsy mba manam-piaro. Mahasahy miditra an-keriny ao an-trano mihitsy ireo dahalo mpangalatra no sady mamono izay sendra azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.