Tapatapany

Hala-bola amina miliara tao amin’ny banky Hifampitadiavana Razakarivony Yves


  • Sabotsy 12 Aogositra 2017

Lehilahy iray antsoina hoe : Razakarivony Yves Rivofanantenana Daniel na iYves, 40 taona no karohin’ny Polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika voalohany mafy etsy Anosy amin’izao fotoana izao.

 

 Noho ny resaka fanodikodinam-bola amina miliara tao amin’ny banky iray etsy Tsimbazaza raha araka ny fantatra no anton’izany.  Mpiasa ao amin’ity banky ity ihany  io lehilahy io. Raha tsiahivina ny tantara dia naharay fitoriana ny Polisy fa tsy hita izay nanjavonan’ity farany afaka omaly alakamisy 10 aogositra.Tokony  ho niditra niasa tamin’ny 02 ora tolakandro izy anefa ny lehilahy saingy tsy nipoitra intsony. Niandry azy ihany ny tompon’andraikitry ny banky ka tamin’ny 05 ora hariva vao fantatra fa misy tsy mazavazava ao amin’ny kaontin’ny banky. Nisy ny vola tsy hita. Anisan’izany ireo versement naterin’ny orinasa Brink’s mitentina 215 tapitrisa Ar  ho famatsiana ny “GAB” amin’ity herinandro ity, ary mbola nisy vola 225 tapitrisa Ar  koa tao anaty caisse. Nandeha nisakafo ireo mpiasa tao amin’ilay banky nandritra izany ka io no fotoana nanararaotany nanaovana izany, izy rahateo no mitana ny fanalahidin’ny fitoeram-bola. Notateriny tamin’ny fiarany ireo vola be ireo taorian’izany ka tsy hita intsony no nisy azy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Tapatapany

  • Raharaha
  • Zoma 20 Novambra 2026

Ambohimalaza

  • Tapatapany
  • Sabotsy 10 Jona 2017

TAPATAPANY

  • Tapatapany
  • Alatsinainy 08 Mey 2017

Taratasin’i Jean Farany vao manisy ventiny

  • Tapatapany
  • Alakamisy 15 Desambra 2016

Tapatapany Blueline TV

  • Tapatapany
  • Alakamisy 24 Novambra 2016

TAPATAPANY FARITRA BOENY

Hijery ny tohiny
FTT