Tapatapany

Tapatapany Blueline TV


  • Alakamisy 15 Desambra 2016

Miketrika hatrany ny fahafaham-pon’ireo mpanjifa ny orinasa «blueline». Misongadina manokana ny hetsika fampihenana ny vidin’ireo vokatra haroson’ity orinasa fifandraisan-davitra ity eo amin’ny lafiny fampisitrahana ireo fandaharana hita ao amin’ny fahitalavitra amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely 2016 izao

 


. Hisy moa ireo fanomezana marobe toy ny fizarana laharana finday ankoatra ny fampidinana hatrany amin’ny antsasany mahery ny sandan’ireo tolotra avy amin’ny «blueline TV»mandritra ny fetin’ny Krismasy sy ny taom-baovao izay hifarana ny 15 janoary 2017.

 

Telma 

Fanomezana haroson’ny orinasa Telma ho an’ny mpanjifa amin’izao fetin’ny Noely 2016 izao ny «Telma Play». Tombon’ny «smartphone» voalohany hatolotr’ity orinasam-pifandraisan-davitra ity moa ny fahafahan’ny mpanjifa tompony mampiasa ireo singa isan-karazany mandrafitra ny serasera avo lenta toy ny fakan-tsary na koa ny fihainoana hira samy vokatra entin’ny teknolojia vaovao.

Ramano F.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Tapatapany

  • Raharaha
  • Zoma 20 Novambra 2026

Ambohimalaza

  • Tapatapany
  • Sabotsy 10 Jona 2017

TAPATAPANY

  • Tapatapany
  • Alatsinainy 08 Mey 2017

Taratasin’i Jean Farany vao manisy ventiny

  • Tapatapany
  • Alakamisy 24 Novambra 2016

TAPATAPANY FARITRA BOENY

Hijery ny tohiny
FTT