Nanambara ry zareo avy eo anivon’ny Zanaka ampielezan’i Madagasikara fa olom-pirenena malagasy, miraharaha ny tanindrazana na tsy manana zo hifidy aza ankehitriny.
Ny votoatin-kevitra ambaran’i Dama – Mahaleo ao amin'ny antsony dia mitondra fijery vaovao eo amin’ny famakafakana ny olana fototra maha kizo fara ny firenena, hoy izy ireo. Ny teny ierana miainga eo anivon’ny fokonolona no hamolavolana sy handrafetana ny soa iombonana ary ny olom-pirenena mifandrindra amin’ny tontolo iainany no fototry ny fivoarana ialana amin'ny kizo. Izany dia mifanohitra amin’ireo fanao sy fijery hatrizay, izay tsy mbola hita izay nahatsara azy. Olom-bitsy tsy maty manota avy any an-tampony ihany no mikononkonona ny atao eo amin’ny fitantanana ny firenena, nitondra amin'ny lavaka mangitsokitsoka. Heverinay fa tokony hanaovana adihevitra lalina eo amin’ny mpiray firenena ireo hevitra aroson'i Dama ao amin’ity antsony ity. Zava-dehibe ho amin’ny fivoaran'ny tanindrazantsika ny fanazavana ataony momba ny toerana sy ny anjara andraikitry ny olompirenena eo amin’ny fitantanana ny fiarahamonina. Mendrika atao ivon’ny adihevitra amin’ny fampielezankevitra ho avy izany. Manainga ny gasy rehetra tsy ankanavaka, na an-tanindrazana na monina ivelany, handray anjara amin'izany ary iombona amin'ny fanangonan-tsonia, hoy hatrany izy ireo, ka mangataka an’i Dama Rasolofondraosolo Zafimahaleo hitondra ny antsony ary hirotsaka amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena 2018.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.