Maherin'ny 1000 miliara Ar
no arotsaka kanefa mbola tapaka ny jiro
Nanolotra fiara miisa 12 hitaterana rano, ho fepetra vonjimaika hanamaivanana ny fahasahiranana mianjady amin’ny mponina noho ny olana amin’ny famatsian-drano ny tetikasa fanatsarana ny fampisitrahana rano fisotro madio na ny PAAEP, izay tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena. Tonga teny Mandroseza ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Kolonely Michaël RANDRIANIRINA, niaraka tamin’ireo Mpanolotsaina Avo, ny Minisitry ny Rano, Dr Anja Elia Razafindrianiaina, ary ireo mpikambana sasany ao amin’ny Governemanta. Tafiditra ao anatin’ny fandraisana andraikitra maika ho setrin’ny fahavoazana navelan’ny rivodoza Gezani sy Fytia nandalo teto Madagasikara tamin’ity taona ity izany, ka kendrena hanamafisana ny fahafahan’ny JIRAMA mamatsy rano any amin’ireo faritra tena mila fanampiana. Mahazaka rano 10 000 litatra isaky ny mandeha ireo fiara lehibe ireo, ary noho izy ireo tsy mataho-dalana dia hampiasaina hamaliana ny filàna maika any amin’ireo faritra sahirana amin’ny fahazoana rano fisotro madio, toy ny faritra Boeny, Diana, Betsiboka, Atsinanana, Analamanga, Ihorombe, Itasy, Menabe, Sofia, Vakinankaratra ary Amoron’i Mania. Dingana vonjimaika izao mba hanampiana ny mponina hiatrika ny fahasahiranana, mandra-pahitana vahaolana maharitra amin’ny famatsian-drano eto an-drenivohitra. Nahitsy ny PRRM nilaza fa tsy mendrika an'Antananarivo ny kamio sy kitaotaona rano toy izao, fa tokony any amin'ny fantsona dia makany an-tokantrano na any amin'ny paompy, fa noho ny olana izay mbola tsy tena voavaha dia manisy an'io aloha hanamaivanana ny fahasahiranam-bahoaka. Notsindriany manokana ny fahatongavan’ny rano fisotro madio tao Ambovombe, Faritra Androy, toerana izay nolazainy fa tsy mbola nahazo rano fisotro madio tao an-tanàna hatramin’izay. Nohazavaina fa ankoatra ny tetikasa PAAEP sy PIIA 2 dia mbola misy koa ireo ezaka tohanan’ny Fiadidian’ny Repoblika eo amin’ny sehatry ny rano, toy ny fanamboarana "forage" eny amin’ny oniversite sy ny fametrahana "panneaux solaires" hanamaivanana ny vesatra mianjady amin’ny JIRAMA. Nandritra io no nilazan'ny PRRM fa, nanome fanampiana maherin'ny 1000 miliara Ariary ny JIRAMA ny fitondrana Fanavaozana hatramin'ny nisiany herintaona izay. Mbola nanasonia vola 830 miliara ariary fanampiana koa ny minisitra vao haingana mba hiasan'ity orinasa. Volabe toy izany no arotsaka ao amin'ity orinasam-panjakana ity fa mbola tapaka isak'izay mandeha ny jiro, tsy lavorary ny rano. Tsy misitraka zo fototra ny ankabeazan'ny mponina. Araka ny nambarany dia tombanana ho 75% amin’izany 830 miliara Ar izany no natokana ho an’ny Jiro Malagasy, ka ampahany sisa no mikasika ny sehatry ny rano. Na izany aza dia niaiky izy fa mbola betsaka ny olana tsy maintsy vahana. « Ataovy izay hivahan'io olana io fa efa nanome vola izahay. Ela fiasa koa ka mahamenatra ny mihaino ny fimonomonoman'ny olona, rehefa mandalo an'Analakely sy ny manodidina. » hoy ny PRRM. Mbola mitohy ny fahatapahan-jiro mifandimby, ka mitaraina hatrany ny mpanjifa. Manoloana izany, dia miantso ny mpiasan’ny JIRAMA mba haneho fitiavan-tanindrazana sy handray andraikitra amin’ny famahana ny olan’ny herinaratra ny filoha. Efa misy kosa, araka ny nambarany, ireo fepetra raisina hanatsarana ny famatsian-drano. « Mampalahelo ilay zava-misy fa mba areheto ilay fitiavan-tanindrazana mba hiovan’ilay JIRAMA », hoy hatrany ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël nanao antso ho an’ny mpiasan’ny Jirama. Nohamafisiny fa tsy voatery ho vita 100% avy hatrany ny tetikasa rehetra, saingy tokony ho hita sy ho tsapan’ny vahoaka ny vokatra entin’ireo ezaka atao isan’andro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.