Manentana ny olona hisoratra
anarana anaty lisi-pifidianana
Tsy resabe intsony fa vonona hiatrika fifidianana ireo mpikambana ao anatin’ny antoko Tiako I Madagasikara eo anivon’ny kaominina ambanivohitr’ Ambohidrapeto, distrikan’Atsimondrano. Efa miroso amin’ny fanentanana ireo olom-pirenena feno 18 taona rehetra hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana izy ireo ankehitriny, baiko sy toro-marika nomen’ny Filohan’ny antoko Ravalomanana Marc. Manomboka any amin’ireo mpikambana eo anivon’ny Foko TIM ny hetsika hataony mifandraika amin’izany, izay miainga eny ifotony mihitsy....Nambaran’Atoa Mihary Andriantsilavo, Ben’ny tananan’Ambohidrapeto izay mpitarika azy ireo fa tsy maintsy tratra ny tanjona. Na izany aza anefa hoy izy dia tsy azo hadinoana koa ny asa fampandrosoana andrasan’ny vahoakan’Ambohidrapeto aminy. Betsaka ny asa vitanay taorian’ny nijoroan’izao fitondrana Fanavaozana izao noho ny fisian’ny fahalalahana. Anisan’izany ny lalana, ny fanampiana ireo vehivavy sahirana, ny fametrahana jiro isam-pokontany, ny fanamboarana forage mamatsy rano ireo paompin-drano isam-paritra.... Mbola hitohy hatrany ny asa ho tombontsoan’ny vahoaka izay nifidy anay hoy hatrany Atoa Mihary Andriantsilavo.
Pati
Legende : Mihary Andriantsilavo, Ben’ny tananan’Ambohidrapeto hotronin’ireo mpiara-miasa aminy !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.