Fikaonandohan’ny

polisim-pirenena


  • Talata 27 Oktobra 2026

Tsy hisy fandriampahalemana

raha mbola misy tsy maty manota ! »
Nifarana tamin’ny fomba ofisialy omaly 26 oktobra 2026 tao amin’ny Mining Business Center, Ivato ny fikaonandoham-pirenen’ny Polisim-pirenen. Nanatrika izany ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kolonely RANDRIANIRINA Michaël. “Tsy tonga fotsiny hamarana izao fikaonandoha izao ny tenako, fa handray ny andraikitra amin’ny maha Filoham-panjakana ahy, manoloana ireo angon-kevitra natolotry ny Polisim-pirenena.”, hoyny PRRM. Nambarany tamin’izany fa tsy hijanona ho soso-kevitra an-tsoratra ny vokatr’ity fihaonana ity, fa hoentina hanatsarana ny fitantanana sy ny paikady eo anivon’ny rafitra miandraikitra ny filaminam-bahoaka. Nohamafisiny fa ilaina ny fandinihana lalina sy ny fametrahana fomba fiasa mifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny. “Tsy fahalemena ny filazana ireo olana ireo, fa mariky ny fahatongavan-tsaina ilaina amin’ny fanatanterahana fanavaozana marina”, hoy izy. Nanao antso ho amin’ny fanarahana hentitra ny vanim-potoanan’ny teknolojia vaovao ny PRRM, ka nanipika fa tsy maintsy miova araka ny fivoaran’izao tontolo izao ny fomba fiasan’ny rafitra mpampihatra lalàna, indrindra manoloana ireo endrika heloka sy fanamby vaovao miseho isan’andro. “Sarotra ny mitaky vokatra azo tsapain-tanana mifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny, raha toa ka tsy mifanaraka amin’ity vanim-potoana ity intsony ny rafitra.”, hoy izy. Mba hanatanterahana izany fanavaozana izany, nambara fa hatsangana ny sehatr’asa manokana hanaraha-maso sy hampihatra ireo angon-kevitra sy fanapahan-kevitra nivoaka nandritra ny fikaonandoha. Tanjona amin’izany ny hisorohana ny fampiasana ara-politika ireo tolo-kevitra ary hiantohana fa tena ho lasa fototry ny fanavaozana maharitra eo amin’ny fitantanana sy ny fampandehanan-draharaham-panjakana izy ireny. Nanamafy ny PRRM fa ny fanatsarana ny fitantanana sy ny fomba fiasan’ny Polisim-pirenena dia tsy voafetra amin’ny fampitaovana sy ny fahaiza-manao ara-teknika fotsiny. “Tsy ho tanteraka amin’ny alalan’ny tetibola sy ny tetikasa fotsiny ny fanavaozana ny filaminana sy ny fandriampahalemana. Miainga amin’ny toe-tsaina, ny fitondran-tena ary ny fanajana ny etika arak' asa izany”, hoy izy. Nampiany fa ilaina ny manaporofo amin’ny asa sy ny fitondran-tena isan’andro fa mendrika ny fitokisan’ny vahoaka ny mpitandro filaminana. « Tsy hisy mihitsy ny fandriampahalemana raha mbola misy ny tsy maty manota. Tsy hisy ny fahatokisan’ny Vahoaka antsika mpitandro filaminana raha mbola mihevitra ny olom-pirenena fa azo vidina ny rariny. Tsy hisy ny fampandrosoana raha mbola misy mihevitra fa azo ifampiraharahana ny fampiharana lalàna », hoy ny PRRM.

Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Mpampianatra
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

notafihin'ny jiolahy

  • FONJAN’I NOSY BE
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Teratany vahiny voafonja

  • Fanafihana sy fitifirana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

tena Anosibe

  • ZAZA 3 TAONA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

NISY NAKA AN-KERINY

  • MPANGALATRA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

TAOLAM-PATY

  • Trafikam-bolamena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mankany Dubai

Hijery ny tohiny
FTT