Antoko politika Maeva

«Sao tokony hamboarina


  • Talata 27 Oktobra 2026

aloha ny rafitra hitantanana ny firenena?»

Mbola tsy fikaonandoham-pirenena aloha no laharam-pahamehana, hoy ny antoko politika Maeva na Madagasikara endrika vanona, fa fandaminana politika aloha no zava-dehibe. Akaiky io 31 oktobra ary tadidio fa ny fandaminana politika tamin’ny 31 oktobra 1991 no nahatonga vahaolana tamin’ireny fotoana ireny, hoy ny filohan’ny antoko, Mamy Raharimanana. Tsy mifanalavitra amin’izay, hoy izy, ny fijerin’ny Maeva dia hoe raha ohatra ka tena te hitady vahaolana ifotony dia avereno amin’ny miaramila ny fahefana ary atsangana ny fitondràna miaramila. Mety ho ao anatin’izany ihany izy mirahalahy, arak’izay fifandaminany eo. Izy 5 mirahalahy izay ataontsika hoe miaramila tsinona toa tsy miaramila fotsiny fa anarana sisa? Ireo mpanao politika indray no lasa mandrakotra azy sy mangeja azy ao. Mandritr’izay fitondràna miaramila izay izany, raha tena hisy tokoa, no hametrahantsika ny endriky ny 31 oktobra 1991. Endrika eto no resahana. Io tsy vita anaty 1 na 2 volana fa mety 5 na 6 volana dia tena mila jerena mihitsy hoe inona no tena olana ara-politika mba hisian’ny fahamarinàn-toerana politika eto amin’ny tany sy ny firenena? Mbola ny niainana 5 taona tany aloha no iainantsika eto afaka 5 taona raha mbola izao tsinona no zava-misy. Tsy hisy fampandrosoana izany eto raha tsy misy filaminana ara-politika aloha. Ny tadiavin’ny vahoaka malagasy dia ny tsy hisian’ny valifaty intsony. Tsy hisy fanagadràna intsony. Tsy hisy olona hitsaoka any ivelany na rava fanànana. Mba tsy hisy malagasy maty intsony eto dia hananganana tsangambato indray avy eo nefa samy malagasy ihany no nifamono nakàna fahefàna. Ny hisiana filaminana sy fampàndrosoana ara-politika amin’izay no tadiavin’ny Maeva. Niantso ny miaramila ny Maeva tamin’izany fotoana izany ary misaotra ny miaramila. Misaotra azy 5 mirahalahy saingy sao tokony hamboarina aloha ny rafitra hitantanana ny firenena alohan’ny tena fanavaozana tadiavin’ny mpitondra, hoy hatrany ny Maeva?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

Hijery ny tohiny
FTT