PRRM fa isika mba ahoana?»
Samy te hampandroso ity firenena ity isika rehetra, hoy ny filoha lefitry ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy teo aloha sady mpahaifiarahamonina, Gérard Ramamimampionona. Ny lalana ahatongavana amin’izany nefa no tsy hitoviana mihitsy, hoy izy. Ao ireo mitady fikaonandoha. Ao ny mitady fifampiresahan’ny mpanao politika. Ao ireo hahatsiaro fa ny fifampiresahan’ny mpanao politika no nahafahana nandamina tamin’ny 31 oktobra 1991. Tena nahomby ve nefa ny natao tamin’ny 1991 raha mbola izao ny firenena? Sao vahaolana vonjimaika nampilamina vetivety izany fa tsy nitondra nankaiza avy eo ny tohiny? Ny mpanao politika ve rehefa manao ireny dinika ireny dia tena mihevitra ny hoavin’ny firenena sa fifandaminan’ny samy mpanao politika? Sao nanao fanafody vonjy tavanandro isika? Ny firenena ity mbola milentika na teo aza izany dia mbola izany ihany ve no averina fa tsy hitady lalana hafa? Ny fanoloana olona koa ve no hanavao ny firenena? Raha tena hanavao ny firenena isika dia ilay tena fototra no mila havaozina. Fototra voalohany ny olombelona malagasy. Am-pelantanan’ireo ny hoavin’ny firenena fa tsy any amin’ny mpamatsy vola. Ny any ivelany manampy raha te hanampy avy eo. Faharoa, ny soatoavina sy fahendrena ary fihavanana malagasy. Mila miombona isika. Efa tena niombona ve isika teto sa mifanao ankolafy sy antokotoko na forongony sy tsy forongony sy mpomba sy tsy mpomba? Ny fahatelo farany dia ny harenan’ny malagasy. Efa tena am-pelantanantsika sy hitantsika ary tena hisitrahantsika ve ny harenantsika malagasy? Ireo miisa 3 ireo no tena fototra tokony hiverenantsika raha tena misy mpanao politika marina eto fa tsy mpanao politika hitady tombontsoa ho azy irery fotsiny. Eny amin’ny arabe izao dia afaka mandeha ny mpanao politika fa ny vahoaka mijanona eny amin’ny sisiny. Iny mijanona amin’ny sisiny iny izany ilay firenena. Any amin’ny fikaonandoha na dinika sy tahaka izany koa izany dia mila jerena koa hoe ahoana no hametrahana olona tena vonona hanasoa ity firenena ity? Izany no ilàna ny tena finiavana politika sy fahasahiana ara-politika. Tena manavao na milaza hoe te hanavao izao ny filohan’ny fanavaozana na PRRM fa isika mba ahoana? Efa vonona ho amin’izany fanavaozana izany ve ny rehetra? Tomponandraikitra amin’ny fanavaozana ny malagasy rehetra ary izay indrindra no ilàna fitarihana hoe andao hanombohana azy aloha dia apetraka eto amin’ny tany sy ny firenena fa ny fokonolona na ny olombelona malagasy no fototr’ity firenena ity. Ny fitondràna mihitsy no mila mitarika izany raha tena te hanavao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.