Tanora Monima

«Miha matanjaka ny BRICS,


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

hampihena ny tanjaky ny Dolara…»

Raha mandinika ny tontolo iraisampirenena isika, izay hampirisihina ny tanora hatrany hanaraka ny vaovao iraisampirenena, hoy ny solontenan’ny tanora Monima, Andrianomanana Lahifotsy, nandritry ny velankevitra narahina adihevitra nokarakarain’izy ireo tetsy amin’ny foiben’ny antoko politika Monima, etsy Antsakaviro, ny sabotsy teo, dia hita fa misy fiovàna tanteraka ny fifandanjàn-kery. Miha matanjaka ny vondrom-pirenena BRICS, hoy izy. Mety hampihena ny tanjaky ny Dolara izany. Manomboka mipetraka ny antsoina hoe «Multilatéralisme» na izay fifandanjàn-kery izay. Izany no hampirisihana ny tanora hiroso amin’ny tontolon’ny fandraharahana satria ao anatin’izany antsoina hoe «Micro environnement des entreprises» na tontolo manokana ifaneraseràn’ireo orinasa izany no ahitàna ny politika, toekarena, sosialy, tekinolojia, ekolojia ary rariny. Raha mamboly isika, ohatra, dia mila mahafantatra ny fiantraikan’ny ady any Moyen Orient amin’ny vidin’ny zezika ho ampiasaintsika. Mety hanova zavatra maro eo amin’ny fomba fitantanana samihafa ny fahaiza-mandinika izany ary hampitombo ny fahaiza-mamantatra mialoha ny mety hitranga na «capacité d’anticipation». Miisa 3 ny fomba fampiakarana ny harinkarena. Voalohany amin’izany ny fampiakarana ny fanjifàna na «consomation». Faharoa, ny fampiasàm-bola na «investissement», izay manatsara ny fahafaha-mamokatra any aoriana na «capacité de production futur». Fahatelo, ny fanondranana ireo akora tsapan’ny tanana sy tolotra tsy voatery ho tsapan’ny tanana na «exportation de bien et service». Miodinkodina manodidina ny fandraharahana avokoa izany rehetra izany. Ny fanohanana ny orinasa efa misy hiha lehibe kokoa sy ny fampirisihana ny famoronana orinasa hitodi-doha amin’ny fanondrànana, araka izany, no antoka hampitomboana ny harinkarem-pirenena. Ianareo mpandraharaha efa eo miampy ireo hiditra an-tsehatra no antoky ny hoavin’ny firenena. Mandray anjara amin’ny fampiroboroboana fandraharahana ankehitriny ny tanora Monima satria hitantsika manerantany izao fa fototry ny fampandrosoana ara-toekarena izany. Ny 70%n’ny fivoaran’ny toekarena aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana dia avy amin’ny fandraharahana. 50% izy any amin’ny firenen-dehibe. Araka ny tarigetran’ny Monima hoe demokrasia ara-politika, ekonomika, sosialy, dia tsy hiandry fotsiny ny fanjakàna foana amin’ny fampiroboroboana fandraharahana isika fa hisy mpiara-miombon’antoka avy any ivelany hiara-hanangana ivontoerana fampiroboroboana orinasa na «centre incubateur» hampianatra ny mpandraharaha manan-kevitra hamadika ny heviny ho fandraharahana mahomby, hoy hatrany ny tanora Monima.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT