Politique

Dinika raharaha ikambanana


  • Zoma 23 Oktobra 2026

Mila manompo fokonolona fa

tsy manopa fokonolona»
Tontosa omaly tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ny famelabelaran-kevitra narahina adihevitra mikasika ny fanorenana ifotony sy fifidianana eto Madagasikara nitondra ny lohateny hoe «Dinika raharaha ikambanana», izay niarahana tamin’ny Dinika fanavotam-pirenena na DFP, ny hetsika Kianja maitso, ny Vovonana famerenan-kasina ny fokonolona na VFKF. Tonga teny an-toerana avokoa ireo herivelona politika miombon-kevitra amin’izany fiheverana izany, hoy ny fanazavàn’ny filohan’ny DFP, Maharavo Ratolojanahary na Doudou. Amin’io herinandro hoavy io no horaketina an-tahirin-kevitra na «memorandum» izay fifampizaràna natao teto, hoy izy, handravonana ireo hevi-dehibe. Tsy maintsy hiafara amin’ny fikaonandoham-pirenena tsinona isika ary ireo nandray anjara dia efa ahitàna fikambanana sy vovonana 100 mahery ny isany. Mbola antsoina izay te hanatevin-daharana mba ho anarana vovonana tokana no ifanolorana hevitra rehefa tonga ny fotoana. Ny votoaty voaresaka dia hoe tsy afaka hangala-tahaka ity zava-baovao rehetra nentin’ny vahiny ity isika, isany ny demokrasia sy fifidianana hoe andraisan’ny rehetra anjara na «sufrage universel» fa mila miverina amin’ny maha gasy antsika. Tsy midika fandinganana fandrosoana sy ny tariny izany fa ny maha izy azy ny fiarahamonina malagasy kosa dia mila iverenana. Ny resaka hoe Kianja maitso, ohatra, izao dia endri-piarahamonina malagasy mila averina. Efa misy izany fa tsy hoe vao ho foronina ary efa mihatra amina tontolo ambanivohitra maro. Tsy mifandray amin’ny zava-misy ara-politika malagasy mihitsy, ohatra izao, ny firafitry ny CENI. Mila ovaina izany. Resaka izany CENI efa vonona izany ary samy administratera sivily mahalala tsara hoe ahoana ny zava-misy ao? Mila fanorenana ifotony vita vao afaka miroso amin’izany fifidianana izany. Resaka ka atao izany hoe fifidianana 2027 izany fa io mbola mila ho entina am-bavaka. Tsy ny LFI na Lalàna mifehy tetibola iaingana no hamaritra ny zavatra ho atao eto fa io aza mbola ho ahintsy, hoy hatrany ny DFP. Tetsy ankilany dia nanazava mikasika ny atao hoe Kianja Maitso ny mpahaifiarahamonina, Gérard Ramamimampionona. Fomba iainana ny rafitra fokonolona hita maso io, hoy izy, ary tena mampiseho ny soatoavina sy toetsaina malagasy amin’ny fomba iainana azy. Ny rehetra, na tanora io na ankizy na lehibe na sivily na mpitandro filaminana, dia anaty fokonolona daholo. Tany Mahavelona ny tena niresaka ny Kianja maitso, niaraka tamin’ny ben’ny tanàna tany, dia ny miaramila sy zandary mihitsy no nibata ny fanamafisàm-peo any amin’ny fokontany. Hoy ry zareo hoe aleonay ry Gérard manentana ny olona amin’ny fokontany toy izao dia mba matory izahay amin’ny alina toy izay hoe isaky ny maraina dia hitondra olona ho any Soavinandriana hiakatra fitsaràna sy hiditra am-ponja. Izany rehetra izany hatramin’ny minisitra sy filoham-pirenena na ireo manam-pahaizana dia anaty fokonolona. Ny fahefàm-pokonolona no nozaraina aminao ka mila manompo fokonolona fa tsy manopa fokonolona. Ny mponin’Andriambilany izao nentina niresaka tamina solombavambahoaka sy loholona tato amin’ny Le Pavé nisy fotoana ka na nanao malabary aza ry zareo dia hainy ny nifanakalo hevitra tamin’ireo mpanao lalàna tanaty fanajàna satria iainany ny tena atao hoe fokonolona. Mila mianatra ny fahendrena any ifotony any isika, hoy hatrany ny fanazavàn’i Gérard Ramamimampionona.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

Hijery ny tohiny
FTT