Hamafisina ny toeran'ny
rindran-damina nentim-paharazana
Tontosa tao amin’ny Kianjan’ny Fahaleovantena tao Ihosy ny fihaonamben’ireo Raiamandreny ara-drazana avy amin’ny faritra atsimon’ny Nosy, nahitana solontena avy amin’ny vondrom-paritra Fianarantsoa sy Toliara. Raiamandreny miisa 500 no nandray anjara tamin’ity hetsika ity, izay notronin’ny Filohan’ny Fanaovazana, ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michael. Fihaonana lehibe nanamafisana ny anjara toeran’ny Raiamandreny ara-drazana eo amin’ny fiainam-pirenena. Namafisiny fa ny rindran-damina sy ny soatoavina nentim-paharazana Malagasy no fototra iorenan’ny firaisankina, ny fifanajana ary ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara. Hatolotra avy hatrany ny FFKM ireo hevitra voaangona avy amin’ireo sehatra samihafa efa nandray anjara tamin’izany dingana izany, anisan’izany ny tanora, ny ladoany, ny miaramila, ny fananan-tany ary ny Polisy. Naneho fankasitrahana manokana ho an’ireo Raiamandreny ara-drazana sy ireo olom-pirenena tonga nanatrika ny fihaonana ny PRRM. Nambarany fa loharanom-pahendrena sy traikefa ho an’ny Firenena ny Raiamandreny ara-drazana, ary manana andraikitra lehibe amin’ny fampitana ny soatoavina Malagasy sy ny fampihavanana eo anivon’ny fiarahamonina. "Natao ho sehatra ifampiresahan’ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka ny fikaonandoham-pirenena, mba hahafahan’ny rehetra miara-mandinika ny hoavin’ny Firenena. Tsy tokony ho olom-bitsy no hanapaka ny hoavin'ny Firenena manontolo", hoy hatrany izy. Namafisiny fa ireo Raiamandreny no mpampihavana sy mpanelanelana rehefa misy disadisa eo amin’ny fiarahamonina, mpampita ny fomba amam-panao sy ny soatoavina nolovaina tamin’ny Razambe ary mpiaro ny tanora amin’ny fanajana, ny andraikitra ary ny fifanajana, izay nampahatsiahivany fa soatoavina mampiavaka antsika ny fihavanana. Nisongadina nandritra ny fihaonana ny hafatra fohy nentin’ireo mpandray anjara nanao hoe: "Soa ty filongoa". Nanaitra ny amin’ny fihenan’ny fahefan’ny Raiamandreny eo anivon’ny fiarahamonina ankehitriny ny PRRM. Nambarany fa ilaina ny famerenana amin’ny laoniny ny hasin’ny fanabeazana sy ny andraikitry ny Raiamandreny amin’ny fitaizana ny taranaka. Anisan’ny fanapahan-kevitra naroson’ireo Raiamandreny ara-drazana ny fampidinana ny karaman’ny olom-panjakana rehetra sy ny fanafoanana ny zo ananan’ireo olom-boafidy tsy manatanteraka ny andraikiny izay isan'ny teboka lehibe mila jerena tokoa eo anatrehan'ny tsy fahampian'ny tamberin'andraikitra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.