Vovonana vaovao indray no tafatsangana tetsy Antsakaviro omaly hanohitra ny sakantsakana rehetra tsy hahatongavana amin’ny fifidianana.
Nanao antso avo ity Vovonan’ny olom-pirenena miaro ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna ity fa tsy tokony hiditra ao anaty vela-pandriky ny HVM ny praiminisitra vaovao, Ntsay Christian. Mahagaga, hoy izy ireo fa ireo niantso fifidianana hatramin’ny taona 2015 indray no miantso hoe ahemory ankehitriny. Tsy mananihany vahoaka ve izany ? Lasa karamanady ny fanaovana politika eto. Ny HVM no tsy vonona hanao fifidianana dia mampiasa mpikaramanady hivoy ity resaka fanorenana ifotony ity. Ilaina ny fanorenana ifotony saingy mila fotoana maharitra. Aoka ho malina ny vahoaka ary manao antso avo izahay, hoy izy ireo, hananganana vovonana iray lehibe hiarovana ny tombontsoa iombonana. Hitety faritra hanao fanentanana amin’ity herinandro ity moa izy ireo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.