Politique

VOT Manohana an’i Neny Lalao Ravalomanana


  • Alarobia 15 Jolay 2015

Tsy mivaona amin’ny foto-kevitra efa nijoroana hatramin’ny taona 2009 ny Vondron’Olon-Tsotra tarihan-dRavaonirina Sarah Zoé. Mifototra amin’ny fanasoavana ny vahoaka sy ny tanindrazana hatrany ny antom-pisian’ity fikambanana tsimialonjafy misokatra ho an’ny olom-pirenena Malagasy tsy an-kanavaka ity.

 Tsy nisalasala nandray andraikitra ny VOT nanabe ny olom-pirenena tao anatin’ny fotoana namaivay niseho teto amin’ny firenena tao anatin’ny enin-taona hatramin’ny nisian’ny fanonganam-panjakana. Tontosa antsakany sy andavany ny iraka fohy ezaka fanentanana ny olom-pirenena Malagasy hahay handinika ny zava-misy eto amin’ny firenena sy ho sahy haneho hevitra manoloana ny raharaham-pirenena. Tsy nankasitraka ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny taona 2013 ny VOT izay mahita fa mbola tandrametraka ihany koa ny fifidianana kaominaly saingy handray anjara mavitrika amin’ny alalan’ireo kandida miisa 30 manerana ny nosy miaraka amin’ny sary famantarana vaovao. Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny fanohanany ny kandida Tiako I Madagasikara eto Antananarivo renivohitra Neny Lalao Ravalomanana ihany koa ny Vondron’Olon-Tsotra.

Ramano F.


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT