Fanompom-pivavahana iraisam-pinoana tao ao amin’ny Restaurant Prixmini Ambohibao no nisantaran’ny kandida Vonjy Be na Raharinisa Vonjiniana ny fampielezan-keviny omaly.
Kandida tanora manana vina hampandroso an’Antehiroka i Vonjy Be sy izy sivy mianaka mpanolotsaina miray lisitra aminy. Zava-dehibe aminy ny fandriampahalemana. Laharampahamehany ny fanokafana lycée sy ivontoeram-panofanana ho fampananan’asa ary “Matérnité”. Kaominina ambanivohitra i Antehiroka. Tetik’asan’i Vonjy Be ny hanamora ny fifidianana akora sy masomboly ho an’ny tantsaha arahin’ny fanatsarana ny tanàna. Kandida tanora i Vonjy Be, manana fandaharan’asa mitodika amin’ny tanora izy toy ny famoronana foto-drafitrasa fialamboly ary firaisamben’ny tanora kristianina Antehiroka.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.