Politique

Vondron’Olon-Tsotra « Avoahay aloha ny tantara ! »


  • Alakamisy 26 Jolay 2018

Samy ilain’ny Malagasy daholo, hoy ny filohan’ny Vondron’Olon-tsotra (VOT), Sarah Zoe, na ny fanorenana ifotony na ny fifidianana saingy mila hay ny mametraka ny laharam-pahamehana sao zava-doza no hitranga.

 Avoahay aloha ny tantara, hoy izy, mba hahafahana mametraka ny soatoavina sy hasina. Aza afangaro amin’ny finoana ny fomba fa zavatra napetrak’Andriamanitra hampiavaka ny firenena tsirairay avy izany. Hitanareo mpanao politika fa samy mila ireo zavatra 2 malaza amin’izao fotoana ny vahoaka kanefa aza hararaotina. Mila mamoaka ny tantara isika vao afaka mamoaka ny hasina ary tsy maintsy miainga amin’ny kolontsaina no hahafahana mametraka izay lalàmpanorenana. Antony nanohananay ny filoha Ravalomanana io, hoy izy, satria izy dia nametraka fa tsy tokony hoekena ho filoham-pirenena izay tsy malagasy madiodio. Manoloana ny resaka fikasana ny fanilihana ity filoha teo aloha ity tsy ho kandida filoham-pirenena moa dia nilaza ny VOT fa tsy tokony hiditra amin’izany intsony isika satria tsy hiteraka fitoniana ary tsy hisy firenena handroso anaty tsy fitoniana. Hanara-maso ny fifidianana ny VOT, hoy izy, ary hanentana eny ifotony mihitsy ny rehetra mba ho mailo. Tsy mila famatsiana amin’iza na iza ihany koa moa ry zareo, raha ny nambarany fa hanaporofo fa hahavita zavatra rehefa tena entin’ny fitiavan-tanindrazana marina.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT