Politique

Vondrona Afrikanina 80 tapitrisa dolara no fatiantoka avy amin`ny kolikoly


  • Alatsinainy 02 Jolay 2018

I Maoritania no mampiantrano ny fihaonana ara-tampon`ny Vondrona Afrikanina andiany faha-31 izay efa nanomboka ny 25 jona lasa teo.

 

 Mandray anjara feno i Madagasikara tarihin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Ao Noakshott no mihaona ireo filohana andrim-panjakana ao amin`ny vondrona afrikanina ary miisa 55 ireo firenena afrikanina mandray anjara any.
Karazana tatitra momba ny fanavaozana  ny rafitra  ataon'ny Firaisambe Afrikanina, ny fandriampahalemana, ny filaminana sy ny toe-java-misy eo amin'ny kaontinanta, ny varotra ary ny toerana iombonana afrikanina momba ny hoavin'ny ACP / EU izy ity. Handinika ny ady amin`ny kolikoly, izay olan'ny governemanta sy ny fampandrosoana amin`ireo  olana goavana indrindra atrehin`i Afrika amin'izao fotoana ireo mpandray anjara. Ny lohahevitra dia “ny taona 2018, taona  hiadiana ny kolikoly” ka hiraisan`ny rehetra fa misy fatiantoka ho an`ny firenena ny kolikoly izay misandrahaka amin`ny sehatra samihafa. Araka ny Vaomiera Ara-toekaren’ny Firenena Mikambana ho an'i Afrika (UNECA), 80 tapitrisa dolara no very isan-taona. Apetraka ny fiaraha-miasa sy fiaraha-mientana eo amin`ny samy firenena ao amin`ny Vondrona Afrikanina. Hifarana anio ny fihaonana ary antenaina ny fahatongavan`ny filoham-pirenena Frantsay Emmanuel Macron. Fantatra kosa fa ny sekretera jeneraly lefitry ny firenena mikambana dia hanatrika izao lanonana manan-danja ho an`ny kaontinanta Afrikanina izao.


Marigny A.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT