Sarotra ny mahatoky ireo kandida ratsy fitondran-tena na tsy manara-dalŕna mandritra ny fe-potoana fandresehan-dahatra ny mpifidy.
Tanjon’ny fampielezan-kevitra mantsy ny fifanabeazana eo amin’ny samy olom-pirenena arahina fanolorana fandaharanasan’ireo kandida ben’ny tanàna amin’ny vahoaka, hoy ny Vondron’Olon-Tsotra. Misy fitsipika mifehy ny fanehoan-kevitra ao anatin’ny propagandy fa tsy mifototra amin’ny tsikera sy fanaratsiana ireo mpifaninana izay tsikaritra nandritra ity fampielezan-kevitra kaominaly 2015 ity. Adidy masina sy goavana noho izany no miandry ireo olom-pirenena feno taona amin’ny fahaizana mifidy izay ben’ny tanàna mendrika hitondra ny tena fampandrosoana marina ho an’ny fiaraha-monina ifotony araka ny fanamarihan’ny filohan’ny VOT Ravaonirina Sarah Zoé. Namarana ny fampielezan-kevitra fidinana ifotony tamin’ny fitetezana ireo tokantrano ao anatin’ny boriboritany voalohany ho fampandaniana ny kandida laharana faha-6 Neny Lalao Ravalomanana moa ny fikambanana omaly.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.