Politique

Vola hanaovana ny fifidianana Mbola baraingo


  • Alakamisy 14 Jona 2018

Ny governemanta sisa no andrasanay hifanatona aminay, hoy ny filoha lefitry ny CENI, Thierry Rakotonarivo, raha nanazava mikasika ny fanomanana ny fifidianana amin’izao fotoana.

 

Mbola sahirana amin’ny fifamindram-pahefana moa izy ireo kanefa dia miankina aminy ny fahafantarana raha efa ao na tsia ilay 40 miliara ariary natokan’ny fitondram-panjakana hikarakarana ny fifidianana. Efa nihaona tamin’ny HCC sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena izahay, hoy izy. Azo lazaina efa tomombana ny ankoatr’izay, rehetra, hoy hatrany ity tompon’andraikitra eo anivon’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana izay nitarika ny fihaonana tamin’ny mpanao politika tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina omaly ity. Raha ny voalazan’ny lalàmpanorenana moa dia tokony ho 90 andro mialoha ny fifidianana, izany hoe 3 volana no mandeha ny fiantsoana mpifidy. Tsy mbola olana io hatreto, raha toa ka amin’ny oktobra ny fifidianana. Raha izay voalaza izay izany dia azo antoka fa tsy maintsy hanamorona ny fotoam-pahavaratra sy ny fidiran’ny mpianatra ihany ny fifidianana filoham-pirenena. Hilamin-tsaina ve ny mpifidy amin’izay fotoana izay ?


J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT