Henri Rabary Njaka (SG HVM)
“Tafapetraka tamin’ny ankapobeny ny tanjona nieritreretan’ny HVM amin’ny tokony hisian’ny fitoniana eto Madagasikara raha nampitaina tamin’ny fifidianana solombavambahoaka ny zava-nisy tamin’iny fifidianana kaominaly teo iny. Betsaka ny fanakianana tamin’ny fifidianana teo. Ny teninay dia aoka mba samy hiandry am-pitoniana ny vokatra ofisialy isika rehetra”.
Rafolisisoa Mpikambana (Ceni-T – UNMDH)
“Nilamina ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika nataon’ny Ceni-T. Tsy nisy niova izay vokatra azo avy any amin’ireo birao fandatsaham-bato fa saika nitovy tamin’izay navoakan’ny Ceni-T androany (omaly) avokoa. Marihina fa eo ny “Tribunal administratif” handinika sy hitsara ireo fitoriana nataon’ny olon-tsotra sy kandidà isanisany ireny. Samy manana ny vokatra noeritreretiny moa ny rehetra ka aoka hiandry am-pitoniana ny vokatra ofisialy.
Marc Ramiaranjatovo (Kandidà MDV-Alasora)
Hita fa tsy niova ny voka-pifidianana avy any amin’ny birao fandatsaham-bato sy ny tany amin’ny QG nisy anay. Misaotra an’ireo nametraka ny fitokisany ny MDV tarihako. Zon’ireo kandidà hafa ny mametraka fitarainana any amin’ny tribonaly misahana izany noho ny tsy fahatomombanana hitan’izy ireo tamin’iny fifidianana iny ka miandry ny ho vokatr’izany isika fa ny fantatra aloha hatreto dia mitarika ny MDV teny Alasora tamin’iny fifidianana iny.
Nangonin’i Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.