Politique

Voka-pifidianana tao Toliara Lavin-dry Camille Vital marindrano


  • Sabotsy 08 Aogositra 2015

Vaky bantsilana ny kilalao maloton’ny HVM ary mihamafana ny toe-draharaha ao Toliara. Mpifidy maro tsy mitovy firehan-kevitra amin’ny kandidàm-panjakana noverezin-jo.

 

 Mitaky ny hanafoanana ny fifidianana natao ny 31 jolay lasa teo ny vondron’ny kandidà (TOMIRA, HIARAKA ISIKA, TIM, AREMA), nandritra ny valandresaka tamin’ny mpanao gazety, omaly, tao Sanfily. Tetsy an-daniny kosa nilaza ireo vahoaka mahatsiaro ho nahodina safidy fa hidina an-dalambe sy hitroatra fa tsy manaiky ny fanosehosena ny zony. Nampiseho porofo tamin’ny tsy fahatomombanana rehetra hita ny «Collectifs des candidats» : bileta tokana efa voaarina mialoha, olona iray manana kara-pifidianana efatra nentina nifidy tamina toerana samihafa, kara-pifidianana fotsy tsy misy anaran’ny mpifidy vita sonia sy fitomboka mialoha. Tao amin’ny Epp Betania : 59 ny vato azon’ny kandidà Tomira voarakitra amin’ny fitanana an-tsoratra (PV), lasa 4 rehefa tonga teny amin’ny Ceni-T.

Fandrobana

«Tsy fifidianana no nisy teto fa fandrobana», hoy ny Jeneraly Camille Vital, kandidàn’ny Hiaraka Isika. «Avereno ny fifidianana fa hiteraka krizy vaovao ary aza atao sorona ny vahoaka malagasy», hoy ny kandidàn’ny TIM. «Tendreo izay olona tian’ny fanjakana ho Ben’ny tanàna HVM, fa aza mifandrebireby isika», hoy Atoa Ramilison (Tomira). « Ekena fa tsy lany izahay, fa tsy manaiky kosa ny fanitsakitsahana ny zon’ny mpifidy», hoy kosa ny Kolonely Joronia Rekany, kandidàn’ny AREMA.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT