Politique

Voka-pifidianana - Ambatondrazaka Miahiahy ny SRMV ny ankamaroan’ireo kandida


  • Zoma 07 Aogositra 2015

Betsaka amin’ireo voka-pifidianana avy eny ifotony no niova rehefa namoaka vokatra vonjimaika ny CRMV Ambatondrazaka. Misy ny vokatra avy amin’ny birao fandatsaham-bato (BV) no tsy nampidirin’ny CID

 

 ao amin’ny kajy izay ataony fa hoe misy tsy mety (anomalie) izay nampiova tanteraka ny voka-pifidianana ka saika nampitroatra ny ankamaroan’ireo kandida. Anisan’ireo voakasika izany ny tao amin’ny Kaominina Andilanatoby. Raha ny kandida natolotry ny antoko TIM no voalohany dia nanjary ilay antoko HVM fahatelo indray no lasa voalohany satria misy BV iray tsy nokirakiraina. Niakatra tao amin’ny CID Ambatondrazaka ny fikambanan’ireo kandida avy any Andilanatoby nitaky ny hamoahana ny vokatra ara-dalàna fa tsy misy fanafoanana BV sahady. Maro ireo kandida nametraka ahiahy amin’ny fomba fiasan’ny SRMV Ambatondrazaka. Marihina fa amin’ireo Kaominina miisa 22 mandrafitra ny Distrikan’Ambatondrazaka dia toerana 10 lasan’ny antoko HVM, 07 an’ny TIM, 01 MAPAR ary 04 ny tsy miankina raha ny vokatra vonjimaika avy amin’ny CID Ambatondrazaka.

Niry A.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT