Politique

Voahangy Rajaonarimampianina Nangina sy nipirina tanteraka


  • Sabotsy 28 Jolay 2018

Nangina ary toa nipirina tanteraka i Voahangy Rajaonarimampianina ankehitriny.

Tamin’ny fahatongavan’ny kardinaly vaovao Désiré Tsarahazana no nahitana azy farany niseho vahoaka tamina lanonana ofisialy.  Re fa miady saina mafy amin’izao fotoana akaiky fifidianana izao satria manahy ny ho very fihinanana atsy ho atsy. Nalaza ho henjana tamin’ny fanjakazakana sy ny afera samihafa, indrindra fa ny resaka fampidirana mpiasam-panjakana ambony. Tsaroana tsara, ohatra, ny tapatapaky ny taona 2016 ny famoahan’ny “Mouvement des citoyens Malagasy de Paris” na ny GTT tany Frantsa ny filazan’izy ireo fa tafiditra tamina afera maloto, dia ny fanaovana bizina amin’ny fampidirana mpianatra ho manamboninahitra ao amin’ny sekoly Sekoly ambony ACMIL ao Antsirabe izy. Malaza ny fakana ekolazy amina tomponadraikitra ambony ho sandan’ny nanendrena na nampidirana azy ho mpiasam-panajakana, ka re hatrany ny anaran’ny vadin’ny filoha. Tena mitombina ve ireny matoa nisafidy ny nangina hatrany izy ? Ny orinasa sinoa niandraikitra ny fanamboarana ny lalana mampitohy an’i Talatamaty, Ambohidratrimo sy Ivato dia nalaza volana vitsy lasa izay fa notakiana 4 tapitrisa Euros isan-taona, ka tsy hay na tafiditra tao anatin’io ny vadin’ny filoha,… Ny resaka jono ataon’ny sinoa any Toliara, dia malaza fa 4,5 tapitrisa Euros isam-bolana no sandany, ary nisy mihitsy ny minisitra teo aloha voalaza fa lasa mpanefoefo ka tsy hay na kopaka isasahana koa ny amin’izay. Tombony ho an’ny mpitondra ankehitriny ny hihemoran’ny fifidianana, ary malaza fa sinema ataon’ny fanjakana ny hetsi-panoherana miseho ankehitriny. Anisan’ny atidoha ao anatin’io ve ny vadin’ny filoha fa miasa mangina ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT