Politique

Voahangy Rajaonarimampianina Ho sahirana raha misy mitory


  • Talata 12 Jona 2018

Olon-tsotra, mpandraharaha, mpiasan’ny minisitera, teratany malagasy, teratany vahiny, karazan’olona marobe dia samy efa nandrenesana fitarainana ho niharan-tsotasotan’ny vadin’ny filoham-pirenena, Voahangy Rajaonarimampianina avokoa.

Vazivazy toa zary tenany ihany moa ny hoe mety hisy mihitsy ny fikambanana hitsangana hivondronan’ireto olon-tsosotra niharan’ny tsy rariny nataon’ny vadin’ny filoha ireto ho atsy. Asa aloha izay ho anarany. Anisan’ny nandrenesana tsy rariny izay tena niteraka resabe nataon’ity renin’ny firenena ity, ohatra, ny fifaninanana hidirana ho polisy farany teo na ny resabe momba ireo kandida 300 isa. Teratany sinoa iray mpandraharaha ihany koa no velon-taraina fa mandoa vola amina miliara ariary isan-taona vao maha tafavoaka entana eto Madagasikara mba aondrana any ivelany; ary voatonontonona ao anatin’izany raharaha izany Rtoa Voahangy R. Manginy fotsiny ny fifanolanana nisy teo aminy sy ny mpanolotsain’ny filoha teo aloha, Claudine Razaimamonjy sy ny fodiany ny resaka manodidina ny fanendrena ny praiminisitra teo aloha Solonandrasana Mahafaly; ary ny fitsabahany amin’ny fanendrena ireo mpiasam-panjakana ambony. Ampahany amin’ny ho fahasahiranan’i Voahangy Rajaonarimampianina teraka Randriamanana ireo raha toa ka hitory azy avokoa indray andro any ireo olona milaza fa nanaovany tsindry bokotra sy fanaparam-pahefana amin’ny endriny maro samihafa.

J.Mirija  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT