Politique

VMSA teny Antaninarenina Hanohana ireo kandidŕ mera Hvm manerana ny Nosy


  • Alakamisy 16 Jolay 2015

Efa ela tsy niteniteny intsony izahay, hoy ry zareo mpikambana ao amin’ny VMSA na ny Vondrona Miaron’ny Safidim-bahoaka sy ny Ara-dalŕna hitambaran’ireo antokom-politika sy fikambanana maro saika mira lenta amin’ny NMP eny Tsimbazaza fa hita ao daholo ohatra ny Hvm, ny Av 7 sns… ka izao mamory anareo mpanao gazety izao indray hilazanay fa tsy misy afa-tsy ny fitoniana no hahazoantsika Malagasy miroso amin’ny fampandroana an’i Madagasikara.

 

Tena manao ny ainy tsy ho zavatra ny fitondrana ankehitriny, hoy Atoa Ratoabolamanana Merci izay nitondra tenin’izy ireo tamin’io omaly io, na dia fantatra aza fa manana fahasahiranana ara-bola. Noho izany dia tapakevitra izahay ny hanentana ny vahoaka andeha hifidy amin’izao fifidianana kaominaly izao. Tena zava-dehibe eo amin’ny fandalana ny demokrasia izany fifidianana izany, hoy izy, fa hahafahana miroso amin’ny fametrahana ireo rafitra sisa mbola tsy tafapetraka ato anatin’ity Repoblika faha-4 ity, toy ny loholona ohatra. Nanaiky ity vondrona ity fa efa nisy ireo mpikambana sasany tao aminy no nifidy lalan-kafa, toa ny namana Voninahitsy Jean Eugène sns… ka ankehitriny dia efa nanangana ny Comité Adhoc izahay ankehitriny hitantana ity VMSA ity saingy ny filamatra kosa tsy miova fa Miaro hatrany ny safim-bahoaka dia ny filoha Hery Rajaonarimampianina ary mandala ny Ara-dalàna dia izay didy avoakan’ny Fitsarana Avo Momban’ny Lalàm-panorenana. Nanambara ampahibemaso ity vondrona ity fa hanohana an’ireo kandidà natolotry ny HVM rehetra manerana ny Nosy ireo mpikambana ao aminy amin’ny fifidianana kaominaly ho avy.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT