Politique

Vina IEM sy Fisandratana 2030 “Patron” mitovy no ao ambadika ?


  • Alakamisy 28 Jona 2018

Toa mitovitovy fomba fiteny sy firesaka i Andry Rajoelina sy i Hery Rajaonarimampianina amin’izao fotoana.

Samy mivoy sy miteny ny hanatanterahana ny fifidianana. Na ny vina hampandrosoana ny firenena IEM (Initiative Pour l’Emergence de Madagascar) na ny Fisandratana 2030, dia mitovitovy ny voambolana ampiasaina. Toa mifanohy sy mifameno ny fitetezam-paritra nataon’ny an-daniny sy ny an-kilany, ka Rajaonarimampianina tany Toamasina ny 23 aprily, tany Faratsiho ny 27 aprily, nitokana ny RN43 ; tany Ambato Boeny ny 17 mey nitokana bloc operatoire. Nanatanteraka ny antsoina hoe Santabary tany Ambodirano amparafaravola ny 25 mey. Nitohy tamin’ny fitokanana ny toby famatsiana herinaratra tany Ambohipihaonana Ambatolampy ny filoha ny herinandro teo, raha toa ka tany Mahajanga Renivohitra sy nitety faritra maro i Andry Rajoelina nanomboka ny alahady 17 jona ary miezaka manao propagandy. Toa mifameno ny zavatra ataon’ny roa tonta, ka tsy hay na fifanandrifian-javatra na fizaran’asa. Izay iray alehany na tena miaraka ireo fa mody manao sarin’ady na miezaka maka ny fon’ny mpamatsy vola amin’ny programan’asa mitovitovy. Niova fomba firesaka hatrany mantsy i Andry Rajoelina ka mbetika mody manakiana ny fanjakana, kanefa dia karazan’ny miaro an-kolaka amin’ny hoe aleo amin’ny fifidianana no harodana ny fanjakana ankehitriny, ka tsy ilaina intsony ny fitakiana eny an-kianja. Ny tsikaritra aloha dia mampitovy tadin-dokanga, ary tsy tongatonga ho azy io resaka fitovitovian’ny vinan’izy ireo fa tombanana ho misy rohy mampifandray azy. Mety ho vondron’olona na firenen-dehibe mitovy ihany no ambadik’izy ireo, ka mandrisika azy ireo hifanohana sy hifanampy fa sarin’ady ihany no miseho eo anatrehan’ny fifanakianana izay tsy dia nisy firy intsony aza.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT