Tsy handefitra ny fitondram-panjakana fa tsy maintsy handray fepetra amin’ireo olona manararaotra ny vanim-potoan’ny fifidianana mba hamindrana toerana ny boaderôzy na hanondranana izany mihitsy, hoy ny minisitry ny tontolo iainana Beboarimisa Ralava
omaly raha niresaka tamin’ny mpanao gazety izy.Niaiky ity mpikambana ao amin’ny governemanta ity fa misy ny andian’olona manetsiketsika hazo sarobidy amin’izao fotoana ; mialohan’izao moa dia efa nanaitra ihany ny Alliance Voahary Gasy fa misy indray ireo miketrika ny hanondrana boaderôzy any amin’iny faritra avaratra atsinanan’ny nosy iny.Tsy nanambara mazava kosa anefa ny ministry ny tontolo iainana hoe aiza marina no misy ireo olona manetsika hazo ireo.3340 amin’izao fotoana ny bolabolana boaderôzy eo am-pelatanan’ny fanjakana taorian’ny hetsika fisavana natao ; heverina ny hanangana orinasa eto an-toerana manodina ny boaderôzy saingy mbola hamoahana tolo-bidy iraisam-pirenena mba hahafahana misafidy ireo orinasa hiandraikitra izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.