Politique

Vahoakan’Antananarivo Arovy ny safidy


  • Alakamisy 30 Jolay 2015

Famintinana niaraka tamin’ny fampahatsiahivana ireo zava-dehibe nanamarika ny fifandresehan-dahatra nandritra ny 14 andro no nanamarihan’i Neny Lalao Ravalomanana ny faradoboka nifamotoany tamin’ny vahoakan’Antananarivo renivohitra teny amin’ny tany malalaka Anosizato omaly.

 

 Tafita ny hafatra tamin’ireo fidinana ifotony notanterahana tao anatin’ireo fokontany 192 mandrafitra ireo boriboritany 6. Nisaotra sy nankasitraka ireo rehetra nitoto, nahandro sy nahamasaka nampahomby ireo fihaonana mivantana tamin’ny mponina. Ankoatra ny famporisihana ny olom-pirenena handray anjara mavitrika hifidy dia nazava ny toromarika avy amin’ny filoha nasionalin’ny antoko Tiako I Madagasikara Ravalomanana Marc izay nohamafisin’ny kandida ben’ny tanàna TIM eto an-drenivohitra dia ny fahamailoana tanteraka amin’ny fiarovana ny safidy.

Adidy masina

 “Adidy masina ny fanefana adidy fandrotsahanm-bato saingy manan-danja goavana ihany koa ny fahaizana miaro ny safidy tena izy hivoahan’ny vokatra tena marina”,hoy ireo mpandahanteny. Nampahatsiahivin’ny mpitarika ny antoko TIM ihany koa moa ny maha-zava-dehibe ny fifidianana ifotony eny anivon’ny kaominina izay kitro ifaharan’ny fampandrosoana. Namporisika ny olom-pirenena hahay hifehy tena sy hanaraka izay fitsipi-pifehezana moa ny kandida Lalao Ravalomanana. Maodely voalohany amin’izany ireo mihevi-tena ho mpitarika, hoy izy.

Ramano F.

Sary fampihaingoana: NJAKA

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT