Tsy hita intsony ity izay azo handraisana ny fihetsika politikan’ny ankamaroan’ireo mpanao politika eto amintsika. Sady tsy tena hita ho an-kavia no tsy an-kavanana. Tsy tena afovoany koa anefa ary ny loza dia miharihary fa tsy misy manana tanjona mazava raha resaka fampandrosoam-pirenena no asian-teny. Ny sasany efa avy nilaza fa hirotsaka ho filoham-pirenena milaza azy ho tsy maika amin’ny fifidianana indray. Ny nitsipaka ny amin’ny tokony hanaovana fifidianana “sahady” moa milaza tampoka indray fa aleo irosoana ny fifidianana. An-kavitsiana ny mpanao politika mahatazona ny teny nomeny. Maka filamatra ny fitondrana ve no antony sa andevozin’ny vola tanteraka ? Raha ny zava-misy iainana ankehitriny aloha dia mbola ho sarotra lavitra noho ny efa nisy tamin’ny taona vitsivitsy lasa ny hanova ny fomba fisainana sy fomba fiasa ary vao mainka hihamafy io raha mbola mpanao politika sy mpitondra tahaka ny ankehitriny ihany no hitari-dalana eto. Maro amin’ny mpanara-baovao ankehitriny no toa tsy vanona ny hanolo-kevitra mihitsy hoe asio jadona kely aloha hanovana ny rafitra sy foto-pisainana eto.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.