Mitohy ny vakansy eny Tsimbazaza. Ireo solombavambahoaka anefa no tsy mivory, taorian’ny nifaranan’ny fivoriana ara-potoana tamin’ny faran’ny jona 2015,
fa ny mpiasan’ny Antenimieram-pirenena kosa mitohy miandry raharaha. Ny volavolan-dalàna fanitsiana ny fitantanam-bola 2015 no andrasana eny Tsimbazaza saingy hatramin’izao tsy misy tokotaniny na dia tokony hampiharina amin’ny volana septambra ho avy io aza. Efa hisasaka anefa ity ny volana aogositra, volavolan-dalàna folo eo izao no fantatra fa efa tonga eny Tsimbazaza saingy hatramin’izao tsy mbola manangasanga kosa ny volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibola 2015, na heverina fa maika aza.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.