Politique

Tolon’ny Fanovana Hisy vaovao lehibe anio


  • Alarobia 20 Jona 2018

Ampian-tafika, tsy ampian-tafika ! Io no azo hamaritana ny tolona eny amin’ny kianjan’ny 13 mey amin’izao taorian’ny fisintahan’ireo depiote sasany.

Raikitra omaly ny diabe nataon’ny vahoaka sy ny sendika notarihin’ny depiote avy amin’ny Antoko Tiako I Madagasikara. Notetezina ny ankamaroan’ireo minisitera tantanin’ny minisitra HVM. Avy tao amin'ny minisiteran'ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ireo vahoaka sy ireo mpikatroka sendikaly tarihan'ny depiote TIM ary nihazo ny minisiteran’ny vola sy ny teti-bola. Nihazo ny minisiteran'ny fahasalamana, nitaky ny fialan’ny minisitra. Tao amin'ny minisiteran'ny fanabeazam-pirenena ary navitrika ireo mpampianatra, izay hatreny an-kianja dia tsy nitsitsy fitenenana. Tsy adinoina ihany koa ny tao amin’ny minisiteran'ny fambolena sy fiompiana. Novakiana bantsilana teny an-kianja ihany koa ny fisian’ny resaka kitranoantrano ao amin’ity minisitera ity, fa nisongadina ny ampamoaka nataon’ny depiote Rabekijana fa masom-boly 3000 taonina notanana orinasa iray no nanjavona, ary nambarany fa nampidirin’ny minisitra any amin’ny kaontin’ny HVM. Mitohy hatrany ny tolona, ary hisy vaovao lehibe anio sy rahahampitso, raha ny fanambaran’ny depiote Hanitra Razafimanantsoa teny an-kianja. Nanamafy io fisiana vaovao lehibe io ny depiote Ramandimbisoa Félix, izay nilaza hoe ireo minisitra antsika ireo dia miasa ho antsika ary tsy manadino. Miray fo aminay ary tsy miala amin’ny solombavambahoaka eto amin’ny fanovana, izay minisitry ny Tiako I Madagasikara, fa aoka hazava, hoy ity depiote ity. Momba ireo depiote TIM anaty governemanta izany ireo vaovao lehibe ? Mbola samy miandry aloha ny rehetra. Ny sendika sy ny vahoaka rehetra tsy mankasitraka ny zava-misy ara-politika amin’izao fotoana izao, dia entanina ho avy eny an-kianja, hoy ny fanentanana. Tonga mavitrika manampy ny tolona hatrany izy ireo, toy ny SEMPIDOU, ny SSM, FM2F. Ny praiminisitra dia mangataka fitoniana aty amintsika ary mangataka ny hanatsaharana ny hetsika. Teny ierana no hataontsika hoe manaiky izany ve isika, hoy izy, ka horakoraka sy fandavana no nanakoako teny an-kianja. Tsy mbola vita ny tolona, ka ny noteneninay, dia ny hoe raha mitady fitoniana ianareo dia esory aloha ireo olona tsy eken’ny vahoaka ireo, hoy hatrany ity depiote ity. Na handeha hivezivezy eny amin’ny arabe na hijanona eo amin’ny 13 mey, dia tsy ho reraka mihitsy ary mbola ho avy ny vahoaka hiaraka aminay, hoy ny eny an-kianja.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT