Hiova endrika ny tolon’ny fanovana notarihin’ny depiote TIM sy ireo avy amin’ny tsy miankina manomboka izao. Manomboka anio alatsinainy 9 jolay mantsy dia tsy eo amin’ny kianjan’ny 13 mey intsony ny hetsiky ny fanovana fa isaky ny minisitera indray.
Hatomboka eo minisiteran’ny fanabeazam-pirenena etsy Anosy ny anio izay hanomboka amin’ny 10 ora. Izay no tapaka teny an-kianja ny sabotsy teo. Mila manamafy ny tolona miaraka amin’ireo sendika isika rehetra, hoy ny toromarika nomen’ny depiote Randriamandimbisoa Félix tao amin’ny tambajotra ara-tsosialy. Hijanona aloha izany ny eny an-kianja, ka hifantoka betsaka amin’ny fifanotronana amin’ny sendika manomboka izao, raha teny amin’ny kianjan’ny 13 mey hatramin’izay no tena nahitana ihany koa ireo mpikatroka sendikaly, izay nanome tanana sy namaly hatrany ny antson’ny depiote, ka niara-dalana teny ny tolona politika sy sendikaly, izay mifamatotra satria samy fitakiana hikendrena fiovana sy fanovana eto amin’ny firenena. Miandry ny toromarika politika avy amin’ny depiote TIM sy ny filoha mpanorina azy dia i Marc Ravalomanana ny mpitolona amin’izao fivoahan’ny datim-pifidianana izao, izay efa fantatra ihany koa fa ny 1 ka hatramin’ny 21 aogositra ny fandraisana ny taratasy firotsahan-kofidiana filoha, ary ny 26 aogositra no havoakan’ny HCC ny lisitra ofisialin’ireo kandida. Mitohy amin’ny alalan’ny fiombonana amin’ny sendika aloha ny tolona, ary tsy hanaiky lembenana intsony rahateo eo anatrehan’ny tsy firaharahiana sy ny fampiasan-kery, toy ny natao tamin’ny mpampianatra aza. Heverina ny mety hiitaran’ny tolona any amin’ny fanidiana minisitera, indrindra fa ireo mbola ahitana HVM. Andrasana izay hiseho etsy Anosy anio.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.