Politique

Tolon’ny 13 mey Hanidy minisitera manomboka anio


  • Alakamisy 14 Jona 2018

Mazava ny hafatra eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey fa hitohy hatrany ny tolona. Antony ny tsy fahafaham-po sy ny hatezerana eo anatrehan’ny fitsanganan’ny governemanta vaovao,

 ka niverenan’ny minisitra HVM maro efa tsy nankasitrahan’ny vahoaka sy notakiana mba tsy haverina ao intsony. Tsiahivina fa mbola 8 no tafajanona, ka ny 6 tamin’ireo voahazona tamin’ny toerany ary ny 2 niova toerana fotsiny, ary niampy ireo olona hafa efa manana dosie maloto toa an-dry Riana Andriamandavy izay efa notorian’ny sendikan’ny Mpitsara na ny SMM. Nilanjan’ny mpanao gazety sorabaventy io minisitra io omaly hoe : “Non à Riana Andriamandavy”. Mbola nanao fanambarana tetsy amin’ny Tsangambaton’ny holafitra tetsy Analakely ny mpanao gazety omaly ka notsiahivina ny toetra tsy mendrika nasehon’ity minisitra vaovao ity, toy ny resaka fiarovana mpanao kolikoly. “Mendrika ho eo amin’io toerana io ve izany ?”, hoy ny fanambarana niombonana. Mbola hidinika ny tokony hatao eny amin’ny Bon Acceuil Ambatonakanga ny mpanao gazety anio manoloana ny zava-misy. Taorian’ny fametrahana sorabaventy natao ny alarobia 12 jona teo dia mbola nitohy omaly ihany koa ny tsy fankasitrahana ny handraisan’i Maharante Jean de Dieu ny minisiteran’ny paositra. Nosakanan’ny mpiasa tamin’ny alalan’ny fiara maro ny fidirana tao amin’ny minisitera teny Antaninarenina, hany ka niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana. Omaly hariva vao vita tamin’ny fomba mangingina ny fifamindram-pahefana. Ho avy amin’ny angady sy ny harona amin’ny tsy hamelana ireo minisitra ambara fa efa naloam-bahoaka sy naloan’ny HCC ireo hahita mangirana ny eny an-kianja, ka ho avy ny fandidiana minisitera. Raha tsy misy ny fiovana, dia hiainga eny Ankatso ny rehetra hihazo ny minisiteran’ny fanabeazana Anosy, ary hanakatona ireo minisitera misy minisitra avy amin’ny HVM sy ireo mbola naverina amin’ny toerany mandra-panalan'ny praiminisitra azy ireo. Efa nanaiky ny praiminisitra ny tsy hisian'ny “redoublants”, hoy ny teny an-kianja. Miverina tanteraka ao anatin’ny hoe “miala Rajao” no tanjona satria tsy manaja ny didin'ny HCC. Rehefa samy tsy hanara-dalàna dia hiroso amin’ny fametrahana minisitra avy ety an-kianja izany ny tolona ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT