Manomboka vaky bantsilana tsikelikely ny paipaika tsy nisy fangaraharana niainga tany amin’ny fametrahana ny praiminisitra.
Tsy nisy ny fifanarahana politika nadio sy nazava tamin’ny fananganana ny governemantan’ny marimaritra iraisana, ary natao an-tsokosoko satria tsy nisy ny vaovao ofisialy momba ny fihaonan’ireo nanao fifanarahana. Ny MAPAR aza sanganehana sy tsy nahalala akory fa i Christian Ntsay no natolotra. I Andry Rajoelina no namboamboatra ny sain’izy ireo hanaiky sy hiteny fa avy amin’ny MAPAR tokoa ity praiminisitra ity. Andro vitsivitsy aty aoriana, io iaraha-mahita io ny kiana mafy ataon’ny eny an-kianja ny praiminisitra rehefa tsy namaly ny hetahetan’ny vahoaka, toy ny mbola famerenana ireo minisitra efa tao anatin’ny governemanta teo aloha namoahan’ny HCC didy fandravana.
Tsy nihambahamba ny depiote MAPAR Tinoka Roberto teny an-kianja omaly nitaky ny fialan’ny praiminisitra.
Raha halalinina, efa tsy dia mihaino an-dRajoelina ny mpanaraka azy. Nametra-pialana sahady ihany koa ny Tale Kabinetran’ny Praiminisitra dia I Andry Herizo Rakotozafy, zanak’i Christine Razanamahasoa. Ho eny Mahazoarivo anio hitaky amin'ny praiminisitra ny hanalana ireo minisitra HVM, hoy ny toromariky ny depiote Tody Arnaud. Tsy hay na anisan’ireo tsy mahazo miditra eny Ivandry izy roalahy ireto ho fijoroana tsy hivadika amin’ny velirano satria tsy mbola vita ny tolona. “Governemanta manorisory, tena mandreraka sy masoson-Ntsay. Tsy afaka ny fontsika satria mbola misy ny fihantsiana any amin’ny minisitera rehetra any”, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Raha nitolona teto isika dia nisy ny didin’ny HCC ary tezitra tamin’izany,... Nekentsika tsy fidiny fa noheverintsika fa mba hamaha ny ampahan’ny olona. Rehefa notanterahina ireny didin’ny HCC ireny dia namoaka an’i Christian Ntsay, ka faly aho tena faly maheno anareo depiote MAPAR miteny hoe mametraha fialana satria izahay niteny hoe miala tao ianao, hoy hatrany ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Nanazava kosa ny tenany fa tsy ilay olona no tsy tiana fa ilay fomba fanao na “principe” efa nokianina hatramin’izay, saingy mbola miseho.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.