Inona tokoa moa no tokony haharatsy ny fanorenana ifotony ? Heverina fa ilain’ny firenena Malagasy ankehitriny izy io raha mandinika ireo anton’ny fahantrana miavosa eto amin’ny firenena ankehitriny.
Raha fehezina ny zava-nitranga, tsy ilay resaka fanovana sy fanorenana ifotony no ratsy, araka ny anarana nampisaloran’ireo vondrona sy fikambanana ary antoko politika maro nitarika ny tolona tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey fa teo amin’ny lafiny fitarihana no tena nahitana ny lesoka. Ireo mpitarika ve no efa diso hain’ireo tarihina tsianjery ? Anarana efa fandre ary nalaza ny zava-bitan’i Pety Rakotoniaina. Tsy vaovao amin’ny sofin’ireo mpanaraka ny raharaha politika Malagasy koa, ohatra, i Pasitera Edouard Tsarahame na i Manantsoa Victor. Omaly tamin’ny 8 ora maraina no nanome alalana ireto HFI sy ny tariny ireto ny teo anivon’ny prefektiora saingy niahotra nidina teny an-kianja ny olona. Tsy mety mahazaka olona hatreto aloha ny hetsika ho an’ny fanarenana ifotony… Tsy maharesy lahatra anay ireo mpanao politika mitarika ireo , hoy ny olona nanontanian’ny mpanao gazety, satria maro no mersenera politika sy efa avy nandeha tetsy sy teroa ka rehefa tsy nahazo toerana dia mamorona zavatra atao mba hahazoana fahefana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.