Politique

Tolona eny amin’ny 13 mey Ho fantatra anio izay tena heviny


  • Talata 12 Jona 2018

Andrasan’ny mpanara-baovao fatratra izay ho ambaran’ny eny amin’ny kianjan’ny 13 mey anio talata momba ny firafitry ny governemanta Ntsay Christian.Fa raha ny resaka omaly aloha dia tsy mahafa-po antsika ary tsy ekentsika izao fomba nanatanterahana ny governemanta izao, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey,

nialoha ny fanambarana ny anaran’ireo minisitra. Fantatra fa tsy hahavaha olana io na inona na inona ambara. Misy minisitera ao tsy hisokatra mihitsy ary manahy aho fa ho governemanta maty momoka io afaka iray na roa andro eo, hoy izy. Nahitsy ny tenany nilaza fa ny eo ihany no havadibadika. Hita fa tafiditra ao anaty governemanta anefa avy eo ny depiote isany Brunel R. Guy Rivo R, Christine R sy Irma..ary raha ny fahitana azy ireo omaly hariva teny Iavoloha dia nanaiky ny fanendrena azy ry zareo.Tonga maro hatrany ny mpitolona teny amin’ny 13 mey omaly, indrindra fa ny avy amin’ny TIM sy ny teo anivon’ny Kaominina Antananarivo. Nisongadina ny fitakiana ny fanokafana ny orinasa AAA sy ny MBS, ny fanomanana ny fifidianana ho avy.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT