Samy mandeha samy mitady ! Io indray izao no zava-misy iainan'ny Mapar ao amin’ny faritra Anosy. Samy miady ho lohany sy ho mpitarika ireo olo-maventin’ny Mapar ao amin'ity faritra ity.
Miady ho sefo. Ny mahatsikaiky, tsy manaiky ny fanapahan-kevitry ny foibe izy ireo. Misy aza sahy mamoaka feo fa tsy mahafantatra olona hitarika azy ireo mpandrindram-paritra ny antoko raha tsy mahazo fankatoavana avy amin'ny filoha mpanorina. Raha ny vaovao voamarina dia ny depiote Hatrefindrazana Jerry tsy miankina nivadika ho Mapar no mpandrindra. Misy andian'olona hafa anefa milaza fa hoe mpisandoka ity depiote Jerry ity ka tsy eken’ireo tena Mapar .Efa miady an-trano ao Tolagnaro ary dia manaratsy mifanompa sy mifampifosa eraky ny tanàna.
Onesime Michel
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.