Politique

Toe-draharaham-pirenena Ho ratsy raha tsy milamina mialoha ny fifidianana


  • Sabotsy 07 Jolay 2018

Tsy Antananarivo irery akory no atao hoe Madagasikara. Mila tsaroana hatrany izany rehefa hijery ny toe-draharaham-pirenena. Somary nirona tamin’ny fandraisana ny zava-misy eto afovoantany ho taratry ny zava-misy manerana ny nosy hatrany hatramin’izay ireo mpitondra fanjakana sy mpanao politika tamin’ny ankapobeny.

Hany ka rehefa milamina eto Antananarivo dia toa mihevitra ireo mpisehatra politika fa milamina ny nosy. Raha misavorovoro ny eto dia misamaritaka i Madagasikara. Eto an-drenivohitra no itoeran’ireo lapa sy biraom-panjakana iankinan’ny fampandehanan-draharaham-pirenena rehetra. Any ambanivolo any anefa hatramin’izao dia miverina mirongatra indray ny fanakanan-dalana, ny fitsaram-bahoaka, ny asan-dahalo nialohavan’ireo famonoana ben’ny tanàna. Na ny fanimbazimbana fomban-drazana sy finoana aza tsy miafina intsony fa tonga hatrany am-piangonana toy izay nitranga tany Moramanga farany teo. Izany rehetra izany dia toa mampitsidika sahady fa ho ratsy ny toe-draharaha iainana ao anaty fifidianana ary tsy hisy fitoniana raha tsy milamina mialoha izay ny zava-misy. Inona ary no fepetra mahomby efa mba noraisin’ny mpitondra hisorohana ny tsy fitoniana ? Raha tara loatra dia ahoana ? Hiteny Amen ve sisa no hatao  ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT