Politique

Toe-draharaha politika Be no ho diso kajy eto !


  • Sabotsy 23 Jona 2018

Nampiadiana ny TIM sy ny MAPAR satria tena natahorana ny mety ho fiombonana hatramin’ny farany hiara-hanadaraboka ny fanjakana HVM, fa indrindra hamotika ny kajikajy politika samihafa fanao sy tadiavina hapetraka hatrany eto ka isan’ny tena misosoka mafy amin’io ny vahiny,

ka hotanteraka eo tokoa ny revolisionina. Vita aloha ny fampiadiana, fa mbola maro ny kajikajy manaraka, saingy efa mihevitra ve ny HVM naongana tsy voahongana sy ny MAPAR tampotampohan’ny tafiditra indray ao anaty fanjakana, fa hilamina sy handeha mora foana ny zava-drehetra? Tsikaritra ho mampitovy tadin-dokanga mantsy. Sarotra izany ary efa manomboka manao ny kajiny ny iraisam-pirenena amin’izao fotoana izao, ka maro no mety ho diso fanantenana eto. Ny tsikaritra sy toa manomboka mazava aloha dia i Marc Ravalomanana no hanaovana ady an-karimbona sy hadaraboka eto na ilay antsoina hoe: “l’homme à abattre” ho an’ny MAPAR sy HVM satria fahavalo politika iraisany. Mbola manana ny herijika lehibe ho lasa filoham-pirenena i Marc Ravalomanana na efa naongana aza tamin’ny taona 2009 satria nisy ny firenen-dehibe tsy tia azy. Tany amin’ny taona 2002 no efa nandeha ny kajy rehetra satria natahorana mafy izy sy toa tsy levon’ny vavonin’ny sasany ny haha filoha azy. Noterena nanao fihodinana faharoa tamin-dRatsiraka, fa tsy nanaiky hatramin’ny farany na dia efa izay aza no toa iraka nampanaovina ny Filoha Sénégalais teo aloha Abdoulaye Wade tany Dakar aza tamin’izany. Taty amin’ny 2009 vao voahongana satria tsy nisy izay tena mpitarika na “leader” azo napetraka teo, ka nipoitra i Andry Rajoelina, ary nampiana sy natosika handrodana an-dRavalomanana, ka isan’ny tao ambadik’izany ny Amiraly Ratsiraka. Tsapa fa te hanaporofo i Marc Ravalomanana fa nahavita ary mbola mahavita na dia nopotehina aza, ka vonona amin’ny fifidianana hahafahana manarina ny famotehana manara-penitra teto.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT