Kandida Ben’ny tanàna misongadiana ao Toamasina I tamin’ireo 10 mianadahy mifaninana i Dr Rakotomanana Gervais atolotry ny Tiako i Madagasikara.
Lebaba moa no fiantso mahazatran’ny olona azy, sady misoratra amin’ny bileta tokana rahateo koa. Tombony ho azy ny efa nitananany ny tanànan’i Toamasina. Re izao fa misy fanangonan-tsonia misoko any ambadika any, mikendry ny hanilihana an-daharana azy fa hoe mampiasa solon’anarana amin’ny bileta tokana,hono. Tsy nahazoana ny heviny mikasika izany moa ity kandida ity, fa ireo manodidina azy no manamarika fa matoa neken’ny OVEC ny firotsahan-kofidian’i Lebaba dia ara-dalàna ka tsy mampiroaroa saina azy ireo izany fa vao mainka aza manamafy ny fitokisan’izy ireo amin’ity Ben’ny tanànan’i Toamasina teo aloha ity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.