« Mila manaja ny fitsipika isika raha tiana handroso sy hanarina haingana ny firenena potiky ny fahantrana ity. Mila manao ny marina sy miaina anaty fahamarinana koa isika satria tsy miasa irery isika fa miaraka amin’Andriamanitra sy ao anatin’ny finoana arahan’asa » hoy Atoa Marc Ravalomanana nanafatra ireto mpikatroka maro be nameno ny magro Tanambao V Toamasina omaly alarobia, nandritra ny fandalovany tany an-toerana.
Miasa miaraka
Tsy nanakana ny olona tsy ho tonga maro be ny fahataran’ny fahatongavan’ny filoha nasionalin’ny Tiako I Madagasikara, raha tamin’ny 10 ora ny fotoana nifanomezana io omaly io, nefa noho ireo vahoaka maro be teny an-dalana te-hihaona sy hifanatri-tava taminy, dia efa taminy 02 ora latsaka vao tonga ny i Dada nefa tsy nitsoaka an-daharana ireo mpikatroka tonga maro be. Nohamafisin’Atoa Ravalomanana fa « ampandrosoantsika tahaka ny efa nataontsika teo aloha ho tena maka ny maha-kapitaly ekonomika azy i Toamasina ; ka hiasa mafy isika sy hiasa tsara isika ary hiasa hiaraka isika ; satria tsy mendrika ho an’ny vahoaka malagasy loatra izao fahoriana sy fahantrana izao ».Amin’ny maha-kongresim-paritra ny nataon’ny Tiako I Madagasikara tao Toamasina renivohitra omaly, izay nandraisan’ny faritra analanjirofo sy atsinanana anjara, dia nisy ny toro-marika nomen’ny filoha nasionalin’ny antoko TIM ho an’ireo kandida ben’ny tanàna sy ireo mpanolon-tsaina iray lisitra aminy rehetra. Vahoaka mendrika ny Malagasy ka tsy mety aminy izao zava-misy mampitotongana ny fiainany izao, ka mila harenina amin’ny fahalaniana sy fanohanana miaraka ireo kandidan’ny Tiako I Madagasikara izany, satria ny tanjontsika dia ny ho lohany hatrany amin’izay atao rehetra.
Niresaka mivantana tamin’ny vahoaka
Ankoatra izay, dia adinon’ny filoha Ravalomanana ihany koa ny nitafa tamin’ireo vahoaka amin’ny androm-piainany andavanandro, ka nitsidihany nitafany mivantana tamin’ireo vahoaka teny an-dalana teo an-dalana nihazo an’ny Magro Tanambao V, ka an’isan’ireny ny tao Mangarano – Mangarivotra – Ambolomadinika – ary Bazary kely ; izay nahalalany ny tena fahoriana sy ny fijalian’ny mponina. Nisy koa ny fampahalalana ireo kandida Tiako I Madagasikara ao anatin’ireo kaominina nandantsahany olona tratra antso, ka isan’izany ny distrikan’i Fenerivo atsinanana, Soanieran Ivongo, Vavatenina, Toamasina I, Toamasina II, Brickaville, Vatomandry, Mahanoro, Antanambao manampontsy ary Marolambo.Nitsidika an’i Foulpointe koa i Dada tamin’izao diany tany atsinana omaly izao.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.