Ny alahady teo no nanao ny faradoboka ny antoko Tiako i Madagasikara tao amin’ny kaomin’i Miantsoarivo, distrikan’Arivonimamo
. Vahoaka maro no tonga nanotrona ny kandida Raveloarimaharo Jeannine na i madame Jeannine izay efa notsofin’i Dada Ravalomanana hanohy indray ny ezaka efa vitan’ny antoko tany an-toerana. Efa ben’ny tanàna in-droa miantoana tany an-toerana i madame Jeannine ary izao mbola angatahin’ny mponina hirotsaka fanintelony izao. Ny fampandriana fahalemana ny tany sy ny fikarakarana ny sosialim-bahoaka toy ny nanganana toeram-pitsaboana sy ny fanatsarana ny tontolon’ny fanabeazana eny amin’ny tontolo ambanivohitra ary ny fanampiana ny tantsaha teo amin’ny fanatsarana ny fomba famokarana no tena nampiavaka ny antokoTim niaraka tamin’i madame Jeannine ary mbola irin’ny vahoaka ho tohizana. Efa azo antoka raha ny fandresena hoy ireo mpaohana ny TIM fa ny fandatsaham-bato no sisa.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.